♦ Nankalaza ny faha-10 taona ny ansiklika Laudato Si, isika Malagasy. Tamin'ny alalan'ny Sorona Masina teny amin'ny EKAR Masimbavy Anne Anjomakely ato amin'ny Diôsezin'Antananarivo no nanehoana izany sady nanokafana ihany koa ny herinandron'ny Laudato Si... ♦ Nitokana zava-bita tao Nosy-Be ny filohan'ny Repoblika nandritra ny dia nataony tany. Nanolotra fanampiana ho an'ny vahoaka tao an-toerana ihany koa... ♦ Mitohy ny tolona hitakiana ny fandehanan'ny fiainan'ny firenena amin'ny tokony ho izy hoy ny Filohan'ny Hery Politika Mitambatra. Tsy tokony hametraka sakana amin'izany ny Prefet an'Antananarivo hoy Pr Ralison Roger...

♦ Misy mivohy resaka politika ny asan-dahalo mitranga ao amin'ny Distrika Isandra. Nifandona tamin'ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona ireo daholo ny alakamisy teo. Dahalo miisa 4 no maty, iray ny mpanara-dia... ♦ 25 taona nanabeazana tanora ny sekoly ambony ESSVA ao Antsirabe. Nankalazaina omaly ny ivon'ny fankalazana... ♦ Niampy 7 isa indray ny alika ampiasain'ny fadintseranana malagasy iadiana amin'ny osoka sy ny fanondranana antsokosoko harena voajanahary. Notolorana mari-piofanana ny Malagasy Mpibaiko azy ireo... ♦ Mangataka fanampiana ho an'ny mponina ao Gaza ny Sekretera jeneralin'ny Firenena Mikambana...

24 mey — Misy ireo tetiandro sasantsasany ahitana ny ny hoe Sainte Marie Auxiliatrice, na ihany koa amin'ny teny malagasy hoe Masina Maria Vonjin'ny kristianina. Amin'ny ankapobeny dia ny fikambanana Salezianina naorin'i Don Bosco no tena miantso an'i Masina Maria amin'io anarana io.

• Manamafy ny fanaraha-maso ny sisin-tany sy ny ady amin'ny hosoka ary ny fanondranana an-tsokosoko ny harena voajanahary, ny fandin-tseranana malagasy. Namoaka ny andiany faharoa min'ny Brigade canine, izy ireo androany... • Dahalo miisa efatra no lavon'ny balan'ny zandary tao amin'ny Distrikan'Isandra. Olona iray isan'ireo mpanara-dia koa no maty nandritra ny fifandonana, ary olona efatra hafa naratra... • Miato noho ny faharatsian'ny andro ny fitaterana an-dranomasina anatin'ny fari-piadidian'ny APF any Sainte Marie, nanomboka androany zoma...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...