♦ Misy ireo olona nosamborina noho ny fisandohana ho mpiadina bakalôrea, tao koa ireo mpiadina nanao hosoka tsy afaka nanohy ny fanadinana intsony, ankoatra ireo nisoloky amin'ny laza adina izay efa notazomina am-ponja... ♦ Tanjon'ny fitoriana ataon'ny fianakavin'ireo lasibatry ny raharaha sampana hihazo Imerinkasinina-Ambohimalaza ny hamantarana ny marina indrindra ny hampiharana ny lalàna amin'ireo rehetra voakasika tamin'iny raharaha iny hoy ny mpisolovava... ♦ Efa vonona i Madagasikara hampiantrano ny fihaonana an-tampon'ny SADC andiany faha-45 hoy ny avy amin'ny fitondram-panjakàna androany...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...