Taratasy Faharoan’i Masindahy Joany Apôstôly (2 Jo. and. 4-9)
Faly dia faly aho, fa nahita ny zanakao sasany mandeha amin’ny fahamarinana,
araka ny didy noraisintsika tamin’ny Ray.
Ary ankehitriny, mihanta aminao aho, tompokovavy,
— tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ny efa azontsika hatramin’ny voalohany ihany —
aoka hifankatia isika.
Ny fitiavana dia izao:
ny mandeha araka ny didiny;
ary ny didiny araka ny renareo hatramin’ny voalohany, dia izao:
ny mandeha amin’ny fitiavana.
Fa maro no efa mitsangana ho mpamitaka amin’izao tontolo izao,
izay tsy manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo i Jesoa Kristy;
ireny no mpamitaka sy antikristy.
Tandremo àry, mba tsy hanafoana ny fisasaranay,
fa mba handray valisoa tanteraka ianareo.
Izay rehetra tafahoatra fa tsy mitoetra amin’ny fampianaran’i Kristy
dia tsy manana an’Andriamanitra;
fa izay mitoetra ao amin’ny fampianarana no manana ny Ray sy ny Zanaka.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 118, 1-2. 10-11. 17-18
Sambatra izay madio famindra,
fa mizotra amin’ny lalan’ny Tompo!
Sambatra izay mitandrina ny fanambaràny,
sy mitady azy amin’ny fony tontolo!
Mitady Anao amin’ny foko tontolo aho,
koa aza avela handao ny baikonao!
Raketiko ato am-poko ny didinao,
mba tsy hanotako aminao.
Asio soa ity izaho mpanomponao;
ka ho velona sy hitandrina ny teninao!
Alao tampina ny masoko hibanjina
ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.
Aleloia. Aletoia.
Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 26-37)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Toy ny niseho tamin’ny andron’i Nôe no hiseho koa amin’ny andron’ny Zanak’Olona:
nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoa-jazavavy,
mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Nôe tao amin’ny sambo fiara,
dia tonga ny safodrano ka nandringana azy rehetra.
Ary koa tahaka ny tamin’ny andron’i Lôta:
nihinana sy nisotro ny olona, nividy sy nivarotra, ary namboly sy nanao trano;
fa tamin’ny andro nivoahan’i Lôta tao Sôdôma kosa,
nisy afo sy solifara avy any an-danitra nilatsaka nandringana azy rehetra.
Dia ho tahaka izany koa amin’ny andro hisehoan’ny Zanak’Olona.Amin’izany andro izany,
izay any ambony tafon-trano aoka tsy hidina haka ny fananany ao an-tranony;
toy izany koa, izay any an-tsaha, aoka tsy hiverina haka izay nilaozany.
Tsarovy ny vadin’i Lôta!
Izay hitady hamonjy ny ainy, dia hahavery azy, fa izay hahafoy azy no hamonjy azy.
Lazaiko aminareo fa amin’izany alina izany,
amin’ny olona roa lahy miray fandriana, ny iray horaisina ary ny iray havela;
amin’ny olona roa vavy miara-manodina fikosohan-dafarinina, ny iray horaisina ary ny iray havela;
ary amin’ny olona roa lahy izay eny an-tsaha, ny iray horaisina ary ny iray havela.”
Dia namaly izy ireo ka nanao taminy hoe:
“Ho aiza Tompoko?”
Ary hoy Izy taminy:
“Amin’izay hitoeran’ny faty no hiangonan’ny voromahery.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Filemôna (Filem. 7-20)
Ry malala, mameno hafaliana amam-panalana alahelo ahy ny fitiavanao,
noho ianao efa namelombelona ny fon’ny olona masina.
Koa amin’izany na dia azoko atao aza ny mandidy anao ao amin’i Kristy amin’izay tokony hataonao,
dia aleoko miangavy aminao noho ny fitiavana.
Hitanao izaho Paoly efa antitra sady mpifatotr’i Kristy koa ankehitriny;
dia mifona aminao ho an’i Onesimo zanako naterako teto am-patorana,
izay tsy nahasoa anao loatra fahiny, fa mahasoa antsika tokoa ankehitriny,
dia ianao sy izaho.
Ampodiko aty aminao izy, ilay sombin’ny aiko.
Nikasa hihazona azy taty amiko aho, mba hanompo ahy ho solonao,
eto amin’ny fifatorako noho ny amin’ny Evanjely;
saingy naleoko tsy nanao na inona na inona raha tsy teny ierana aminao,
mba tsy ho an-tery setra ny asa soanao, fa ho an-tsitrapo tokoa.
Angamba koa i Onesimo no niala vetivety teto aminao,
dia ny mba hanananao azy mandrakizay, tsy toy ny mpanompo intsony,
fa mihoatra ny mpanompo, dia tahaka ny rahalahy malala,
ho ahy indrindra ary mainka fa ho anao, na araka ny nofo na araka ny Tompo.
Koa raha ataonao ho namanao tokoa aho, dia raiso tahaka ny tenako izy;
ary raha nanao ny tsy marina taminao izy, na nitrosa taminao,
dia ataovy ho trosako aminao izany.
Izaho Paoly no manoratra ity amin’ny tanako, izaho no hanefa izany,
mba tsy hilazako aminao fa mpitrosako ianao, ary ahy mbamin’ny tenanao aza.
Eny, ry rahalahy, aoka hifaliako ao amin’ny Tompo ianao,
ka velombelomy ao amin’i Kristy ny foko.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 145, 7. 8-9a. 9bd-10
Tompo nanao ny lanitra sy ny tany,
sy manome rariny ny ampahoriana!
Ilay mamahana ny noana,
Tompo mamaha ny mpifatotra.
Tompo mampahiratra ny jamba,
Tompo mampitraka ny miondrika,
Tompo mpiaro ny vahiny,
tohan’ny kamboty sy ireo mpitondratena.
Tompo tia ny olo-marina,
fa mampiviona kosa ny olon-dratsy;
Tompo manjaka mandrakizay:
dia ny Andriamanitrao, ry Siôna, amin’ny taona mifandimby.
Aleloia. Aleloia.
Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 20-25)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanontanian’ny Farisianina izay andro hiavian’ny fanjakan’Andriamanitra,
ka namaly hoe:
“Tsy mba manetriketrika fiavy ny fanjakan’Andriamanitra,
ary tsy hataon’ny olona hoe: Indro aty na ary izy;
fa indro ao anatinareo ny fanjakan’Andriamanitra.”
Dia hoy koa Izy tamin’ny mpianany:
“Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin’ny andron’ny Zanak’Olona,
fa tsy hahita ianareo.
Hilazan’ny olona ianareo fa hoe:
Indro ery, na indro ety;
nefa aza mankany ianareo, na manaraka izany akory.
Fa tahaka ny fanjelatry ny hela-baratra miserana ny faravodilanitra
hatramin’ny lafiny iray ka hatrany amin’ny lafiny hafa,
dia ho tahaka izany koa no fiavin’ny Zanak’Olona amin’ny androny.
Fa tsy maintsy hijaly mafy aloha Izy sy holavin’ity taranaka ity.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Tito (Tit. 3, 1-7)
Ry malala,
ampahatsiarovy ny mpino fa adidin’izy ireo ny manaiky ny mpitondra sy ny manam-pahefana,
ka tsy maintsy manoa azy ireo izy sy vonon-kanao ny asa soa rehetra,
tsy hilaza ratsy olona, tsy hifanditra,
fa hifanaraka sy hampiseho halemem-panahy lehibe amin’ny olona rehetra.
Fa isika koa fahiny mba efa adala, tsy nanaiky, naniasia,
andevon’ny faniriana amam-pilan-dratsin’ny nofo rehetra, mpisompatra sy mpialona
ka sady tandrifin’ny hankahalaina no nifankahala koa.
Saingy nony niseho ny famindram-po amam-pitiavan’Andriamanitra Mpamonjy antsika olombelona,
dia tsy noho ny asan’ny fahamarinana nataontsika, fa noho ny famindram-pony;
Izy no namonjy antsika tamin’ny fanasana nahaterahantsika indray sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina,
izay nampidininy be dia be tamintsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika;
mba hohamarinin’ny fahasoavana isika
ka ho tonga mpandova am-panantenana ny fiainana mandrakizay.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 22, 1-3a. 3b-4. 5. 6
Ny Tompo miandry ahy: tsy orin’inona aho;
izaho ampiraotiny amin’ny vilo-maitso,
entiny amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy fanahy.
Tarihiny amin’ny lala-marina noho ny Anarany!
Na mamaky lohasaha maizina aza aho, tsy matahotra izay loza:
satria ianao miaraka amiko:
ny kibay aman-tehinao mampatoky ahy!
Rosoanao sakafo
eo imason’ny rafiko aho:
ka ny loha mitavona ilo,
ny kapoaka safomorona!
Eny, hatsaram-po sy hasambarana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo;
ny tranon’ny Tompo
no fonenana taona maro mifandimby.
Aleloia. Aleloia.
Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 11-19)
Tamin’izany andro izany nony nandeha ho any Jerosalema i Jesoa,
dia nanara-tsisina an’i Samaria sy Galilea.
Ary raha niditra tao amin’ny vohitra anankiray Izy,
dia nifanena tamin’ny boka folo lahy izay nijanona teny lavidavitra teny.
Dia niantso izy ireo ka nanao hoe:
“Ry Jesoa Mpampianatra ô, mamindrà fo aminay.”
Vantany vao nahita azy ireo Izy, dia nanao hoe:
“Mandehana, misehoa amin’ny mpisorona”;
ka nony nandeha ho any izy ireo dia sitrana teny am-pandehanana.
Ary ny anankiray tamin’ireny, rahefa nahita fa sitrana izy,
dia niverina ka nankalaza an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery.
Niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa izy, dia nisaotra Azy;
ary Samaritanina izy io.
Dia niteny i Jesoa ka nanao hoe:
“Moa tsy folo lahy va no nadio? Ka nankaiza àry ny sivy?
Ny vahiny indray ity no hany niverina tamin’izy ireny mba hankalaza an’Andriamanitra?”
Dia hoy Izy taminy:
“Mitsangana, ary mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Tito (Tit. 2, 1-8. 11-14)
Ry malala, ianao kosa, milazà izay mety araka ny fampianarana marina;
amin’ny lehilahy lehibe: mba hahalala onony, mendrika, malina, mijoro tsara amin’ny finoana
sy amin’ny fitiavana ary amin’ny fandeferana;
amin’ny vehivavy lehibe kosa: mba hiseho maotona sy masina, tsy mpanendrikendrika, tsy andevozin’ny divay be,
fa mpampianatra ny zavatra tsara mba ho afa-manoro ny vehivavy tanora fanahy
ho tia ny vadiny aman-janany, hahonon-tena, ho madio fitondran-tena,
hikarakara ny tokantranony, halemy fanahy, hanaiky ny vadiny,
mba tsy hitenenan-dratsy ny tenin’Andriamanitra.
Amporisiho toy izany koa ny tovolahy mba ho hendry,
ka ny tenanao no misehoa ho fakan-tahaka ny asa tsara rehetra amin’ny zavatra rehetra;
aoka ny fampianaranao ho madio, maotona, marina, ary tsy manan-tsiny,
mba ho menatra ny mpanohitra antsika, fa tsy hahita kilema hanesoana antsika.
Fa efa niseho ny fahasoavan’Andriamanitra,
loharanom-pamonjena ho an’ny olona rehetra,
mampianatra antsika hamela ny toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao,
fa ho velona amin’ity fiainana ity manana ny toetr’olona mahalala onony,
marina, tia vavaka, miandry ny fahasambarana antenaintsika
sy ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sy Mpamonjy antsika, dia i Jesoa Kristy,
izay nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ota rehetra,
sy hanadiovany ho an’ny tenany ny vahoaka izay ho Azy tokoa
sady fatra-pitia ny asa soa rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 36, 3-4. 18 sy 23. 27 sy 29
Miantehera amin’ny Tompo; manaova ny tsara;
monena amin’ny tany; miraota amin-toky.
Eny, ny Tompo, no iravoy:
dia homeny anao izay hirin’ny fonao.
Ny andron’ny madio fantatry ny Tompo;
ny lovan’ireny ho mandrakizay.
Eo anoloan’ny Tompo no amindran’ny olombelona:
izay amin’ny lalana tiany, no ankahereziny.
Halaviro ny ratsy, ataovy ny tsara,
raha tahiny te-haharitra mandrakizay.
Ny olo-marina handova ny tany,
ary honina eo mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Ny Ran’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 7-10)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe:
“Iza moa aminareo no manana mpanompo
miasa tany na miandry ondry avy any an-tsaha no mba hilaza aminy hoe:
‘Metia faingana, ary mipetraha hihinana?’
Moa tsy izao aza no holazainy aminy:
‘Amboary ny sakafoko, ary misikina hampihinana ahy mandra-pitsahatro avy mihinana sy misotro,
fa rahefa izany vao hihinana sy hisotro ianao?’
Ary moa misaotra izany mpanompo izany akory va izy,
satria nanao izay nasainy nataony io?
Ataoko fa tsy izany.
Koa tahaka izany koa ianareo:
rahefa vitanareo izay nandidiana anareo, dia lazao hoe:
‘Mpanompo tsy mahasoa izahay,
fa izay tsy maintsy ho nataonay ihany no hany vitanay.’”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco