♦ Nahatsiaro ny namoronan'i Jesoa Kristy ny Eokaristia na ny Fanasan'ny Tompo omaly ny kristianina. Tamin'ny alalan'ny fotoam-bavaka tsy natrehanam-bahoaka teny amin'ny FLM 67Ha no nanehoan'ny FFKM izany... ♦ Tsy nahitana olona nitondra ny Coronavirus tamin'ny fitiliana natao omaly. Mijanona ho 93 ny isan'ireo olona mitondra ny tsimok'aretina...
Zoma 10 aprily 2020 — Zoma Masina — Fijalian'i Jesoa Kristy Tompontsika nosoratan'i Masindahy Joany 18, 1-40 ; 19, 1-42 — Nanolo-tena hanaiky hatramin'ny fahafatesana ho antsika i Kristy, dia fahafatesana tamin'ny Hazofijaliana. Ho valin'izany kosa, dia nasandratr'Andriamanitra ambony indrindra Izy, ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra.
♦ Hankalaza ny hateloana masina manomboka anio ny kristianina. Amin'ny alalan'ny fotoam-pivavahana tsy atreham-bahoaka anefa no hanatanterahana izany ho fisorohana ny fiparitahan'ny valan'aretina Covid... ♦ Manara-maso ireo toerana misy ny tsy fanajana ny fihibohana ao aorian'ny amin'ny 12 antoandro ny ao amin'ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena...
(08-04-2020) Manoloana izao trangan'aretina manerantany izao dia tsy afaka misaraka ny tambazotram-pirenena sy ny fiainan-tokatrano.
• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco