Zoma 12 jona 2020 — Herinandro faha-10 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 27-32 — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

♦ Olona 16 vaovao indray no sitrana soa aman-tsara tamin'ireo nararin'ny Coronavirus teto amintsika... ♦ Ny Ministeran'ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana indray no niatrika ny Solombavam-bahoaka, nilaza ny fandaharan'asany... ♦ Mitaky ny hampakaran'ny parlemantera ny teti-bola ho an'ny sehatry ny rano fisotro madio ny vondron'ireo fiaraha-monim-pirenena...

Marihina isaky ny 12 jona ny andro erantany hiadiana amn'ny fampiasana ankizy. Miantso ny tompon'andraiki-panjakana i Papa François mba hitady vahaolana handresena izany. 

♦ Hafindra toerana ny fananganana ny tetik'asa Tanamasoandro saika hatao tao Ambohitrimanjaka sy ny manodidina... ♦ Mitohy ny sehatr'asan'ny Toby Akamasoa amin'izao hamehana ara-pahasalamana izao... ♦ Mitaraina ny olona manana fahasembanana fa atao ankilabao izy ireo mandritra izao hamehana ara-pahasalamana izao...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...