Alarobia 3 febroary 2021 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Sokafy, ry Tompo ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 1-6

♦ Mirohotra mitoby ao amin-dry masera any Tolagnaro ireo olona ianjadian'ny kere any amin'ny Faritra Androy sy Atsimo Andrefana. Tsy hody any amin'ny taniny izy ireo raha tsy milatsaka ny orana... ♦ Mihenjan-droa indray ny tady, ho an'ireo mpanara-maso ny asa, mivondrona ao amin'ny sendika SAIT sy ny Ministera miadidy azy ireo. Hampakatra ny raharaha eny amin'ny fitsarana ny sendika...

♦ Mbola mitohy amin'ny 19 febroary indray ny fitsarana ilay raharaha volamena tratra tatsy Afrika Atsimo. Nanarama mpisolovava vahiny ny fitondrana malagasy, hamerenana ireo voarohirohy hotsaraina eto an-tanindrazana... ♦ Nandray fepetra ny eo anivon'ny Sinaodam-paritany Antananarivo Andrefana - Fiangonana FJKM, ho fiarovana ny ara-pahasalamana. Tsy azon'ireo fitandremana 145 atao ny mitondra razana am-piangonana...

Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe : "Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’Olona, ka harian’ny loholona sy ny lehiben’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna ary hovonoiny ; fa hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo." Ary hoy koa Izy tamin’ny olona rehetra : "Raha misy te-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany isan’andro ka hanaraka Ahy. Izay te-hamonjy ny ainy dia hahavery azy fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko no hahavonjy azy. Ary inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao aza izy, nefa very ny tenany ka voaheloka izy ?"

[Miara-dàlana] Zoma 26 septambra 2025

• Nosokafana ny 23 septambra 2025, ny taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Diosezin'Ambanja... • Tsy tapitra eo amin'ny fahafatesana ny tena fiainana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany momba ny misterin'ny Sabotsy Masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Minisitera tena ilaina, nefa saro-pady, ny fandroahana demony, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...