Alakamisy 4 febroary 2021 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 7-13

Manahy ny hiverenan'ny jadona eto amin'ny firenena ny RMDM, araka ny nambarany tamin'ny mpanao gazety androany, manoloana ny ambarany fa fisian'ny sakatsakana amin'ny hetsika kasainan'ny miara-manonja hatao amin'ny sabotsy ho avy izao... 

Manaiky ny fisian'ny Filoha lefitra fahatelo eo anivon'ny Antenimierandoholona avy amin'ny mpanohitra, ny Filoha lefitra misahana ny faritra avaratra. Tsy miankina amin'ny loholona anefa, hoy izy, ny fanendrena izay olona hisahana izany fa anjaran'ny HCC sy ny Ministeran'ny Atitany...

Mpifindra monina roa arivo isan'andro no mirohotra mihazo ny Faritra Anosy, mitsaoka ny kere any Androy sy Atsimo Andrefana. Ny tobin-dry Masera, "Sahan'i Maria" ao Tolagnaro no tena mandray azy ireo. Mnagataka tantsoroka amin'ny malala-tanana àry ry Masera ankehitriny satria efa iray volana sia ny tahirin-tsakafo omena ireo mpifindra monina...

[Miara-dàlana] Zoma 26 septambra 2025

• Nosokafana ny 23 septambra 2025, ny taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Diosezin'Ambanja... • Tsy tapitra eo amin'ny fahafatesana ny tena fiainana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany momba ny misterin'ny Sabotsy Masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Minisitera tena ilaina, nefa saro-pady, ny fandroahana demony, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...