♦ Hanomboka anio ny fivoriana tsy ara-potoanan'ireo antenimiera roa. Lahadinika lehibe amin'izany ny fifidianana ireo ho solontenan'ny parlemanta eny amin'ny HCC... ♦ Hohamafisina indray ny sazy ho an'ireo tsy manaraka fepetra sakana amin'ny Covid-19... ♦ Mpampianatra iray no voakasin-tanana omaly teny Ankatso, nahazo fahafahana ireo mpianatra 03 eny Vontovorona... 

Alarobia 17 marsa 2021 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Tokana; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 5, 17-30

♦ Zaza roa no namoy ny ainy, olona enina hafa naratra, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga teny amin'ny Lalam-pirenena voalohany androany maraina... ♦ Ho entitra amin'ny fanajana ireo fepetra sakana rehetra, manoloana ny fiakaran'ny tahan'ny olona mitondra ny tsimokaretina Covid-19, ny ato amin'ny Faritra Analamanga...

♦ Nahazo fahafahana vonjimaika misy fepetra ireo Malagasy miisa 03, tratra tatsy Afrika atsimo, voarohirohy tamin'ilay raharaha volamena 73,5kg... ♦ Tsy mbola hikatona ny Oniversite an'Antananarivo eny Ankatso, na misy amin'ireo mpampianatra, mpandraharaha ary mpianatra aza no voalaza fa voan'ny Covid-19. Anton'izany ny fisorohana ny taona fotsy... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...