Alarobia 17 marsa 2021 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Tokana; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 5, 17-30

Ny Evanjely anio dia mahakasika ny valintenin’i Jesoa ho an’ireo jody izay nanenjika azy. Ho an’izy ireo tokoa mantsy, dia tsy misy na iray aza mitovy amin’Andriamanitra, eny na hoe Zanany aza. Rehefa niteny i Jesoa hoe : « Zanak’Andriamanitra aho tamin’ny nanamelohana Azy, dia notriarin’ilay lehiben’ny mpisorona ny fitafiany ka ho izy : « Niteny ratsy an’Andriamanitra Izy ka ahoana indray no ilaintsika vavolombelona » (Mt 26, 65)

Ambaran’i Jesoa mazava tsara àry fa ny fahefana izay ananany dia avy amin’Izy Andriamanitra Ray, izay nampiseho Azy ny zavatra rehetra sy naniraka Azy. Mitovy amin’ilay Andriamanitra Ray Izy satria ny Zanaka ihany koa dia Andriamanitra. Nefa kosa na ny Ray na ny Zanaka dia olona samy hafa ao anatin’ny Trinite Masina. Ny Andriamanitra Zanaka araka izany no nanambara an’ilay Andriamanitra Ray satria Izy no niara-nonina tamintsika olombelona. Noho izany, izay atao amin’ny Zanaka, dia atao amin’ny Ray ihany koa.

Manasa antsika àry i Jesoa mba hihaino ny tenin’Andriamanitra Ray izay ambarany fa io no nitondra antsika ho any amin’ny Lalana sy ny Fahamarinana ary ny Fiainana. Angataho mandrakariva àry ny Fanahy Masina mba hahazoantsika ny teny izay ambarany. I Jesoa dia niresaka mandrakariva tamin’ny Rainy, izay mantsy no atao hoe vavaka, ary tsy mikatsaka afa-tsy ny fanatanterahana ny sitrapony. Ary tiany izany toetra izany mba ho alaintsika tahaka satria ny sitrapon’Andriamanitra mantsy dia ny fahamasinantsika olombelona.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...