Ilaina ny fifampitokisana sy ny fahaiza-mihaino eo amin'ny mpitarika sy ny mpikambana. Kanefa na inona na inona no mety ho endriky ny dinidinika nifanaovana, dia ny lehibe mandrakariva no tompon'ny teny farany, ary ny mpikambana dia manaiky amim-pinoana sy amim-pitiavana. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.

Zoma 14 janoary 2022 — Herinandro voalohany mandavantaona — Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 1-12

♦ Mbola hitohy ny dinika amin'i Lafrantsa momba ny fitakiana ireo "Iles éparses", hoy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny androany. Efa mamarana ny fisivanana ireo Masoivohontsika any ivelany kosa ny Minisitera tantanany ankehitriny... ♦ Nodimandry tampoka ny Filoha Lefitry ny Fiangonana Loterana Malagasy, ny Pastora Velomahatombo... ♦ Voasambotra ny ramatoa mahitahita nibodo ny tanin'ny vahoaka 148 Ha, any Belambo, Disitrikan'i Toamasina Faharoa...

♦ Nigadona teny Ivato, ny maraina teo ny delegasiona notarihian'ny ministry ny fitsaràna, miaraka amin'ireo teratany malagasy roalahy voasambotra tatsy amin'ny Nosy Comores, noho ilay raharaha volamena 49kg... ♦ Anatin'ny fametrahana ny rafitra fitantanana ara-informatika ny fanaraha-maso ny omby eto Madagasikara, ka misy tetikasa hiadiana amin'ny fanadiovana omby halatra... ♦ Efa toetran'ny tsimok'aretina Covid-19 no miovaova hatrany, ka mahatonga ireo "variant" efa ho anarivony, hoy ny MinSanté. Efa mihena ny tranga vaovao eto Antananarivo, miha-miparitaka kosa ny any amin'ny faritra...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...