Ankalazaina isaky ny 3 mey ny andro maneran-tany ho an’ny Fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Ny fiantraikan’ny saina voatr’olombelona amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety moa no lohahevitra nanamarihana izany tamin’ity taona ity. Fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, tatatataina foana isan-taona. Fahalalahana, iza moa no tsy te hisitraka izany? Tsy hoe: te halalaka dia te hanana fahafahana izay tiana atao fa ny tsy hisian’ny teritery, sakatsakana. Voafetra ihany manko ny fahafahana, rehefa tsy manitsaka ny fahalalahan’ny hafa. Zo rahateo izany, hoy ny fifanarahan’ny firenen-drehetra eran’izao tontolo izao. Milaza ny heviny ny Arofanina hoe: zo io fa mbola mila angatahana foana, mbola takiana, toy ny zo hafa tokony hisitrahana ihany.

♦ Nanome toromarika ny hamotsorana ny vadin'ilay kôlônely namoaka horonan-tsary filazàna ny raharaha kolikoly misy eto Madagasikara ny filoham-pirenena, alina, tamin'ny fandaharana manokana... ♦ Nolavin'ny Ministry ny serasera sy ny kolontsaina marin-drano ny filazana fa nihemotra ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Very laharana 13 isika, araka ny tatitra navoakan'ny Reporter Sans Frontières... ♦ Niaka-bidy avokoa ny solika eto Madagasikara nanomboka alina. Fisondrotana 200 Ariary/litatra, araka ny fanovàna isam-bolana natao nanomboka tamin'ity taona ity...

05 mey — I Judith dia niaina tamin'ny taonjato faha-13, zanak'olona avy ao Thuringe ao Allemagne izy, ary nanambady Polonais. Niteraka maro izy ireo.

Ny fiombonana tadiavina dia tsy resaka natao hitadiavana izay marimaritra iraisana fa tena fiombonana anatin'ny tena fahamarinana. Ny Eglizy katôlika izay amafisin'ny Papa Benoît faha-XVI dia manana ny fitaovana feno ho amin'ny femonjena, izany anefa tsy misakana ny hanomezana lanja izay harena ao amin'ireo fiangonana kristianina hafa... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...