• Hifarana tsy ho ela ny dimy taona, fe-potoam-piasan'ireo Loholona. Efa miomana amin'ny mety hisian'ny fahabangan-toerana eo anivon'ity andrim-panjakana ity ireo Loholona... • Nisy tamin'ireo mpiadina bakalorea, tokony hiatrika ny adina ara-panatanjahan-tena teny Ankatso, no tratran'ilay fanapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza. Tsy maintsy handraisana fepetra izy ireo... • Sabotsy fahatelo amin'ny atrikasa izay tafiditra ao anatin'ny iray volana anandratana ny teny malagasy, karakarain'ny Havatsa UPEM, ny rahampitso. Hanjariliva no hiatrika ny atrikasa...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...