Sabotsy 09 mey 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 7-14 — Fantatsika fa nitsangan-ko velona marina tokoa i Kristy. Ianao, ry Mpanjaka nandresy, ombaombao ny fitiavanao re izahay.

Ho feno zato taona amin’ny 18 Mai izao ny nahaterahan’i Karol WOJTYLA izay lasa Papa Joany Paoly faharoa ary efa olomasina ankehitriny.

♦ Andrasana ny valin'ny fanamarinana fanindroany ny fitiliana ireo olona 35 voalaza fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus omaly... ♦ Tsy maintsy atao hy fanadihadiana anatiny miaraka amin'ny manam-pahaizana manokana na ny virologue ao amin'ny Institut Pasteur... ♦ Mitaky fanazavana avy amin'ireo Kaompania mpandraharaha momba ny solika ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa RNPC...

♦ Miantso ny olom-pirenena tsy ankanavaka hitondra ny anjara birikiny amin'ny fanarenana ny toe-karena sy ny sôsialy eto amin'ny firenena Andriamatoa Fetison Rakoto Andrianiriana... ♦ Mampirisika hatrany amin'ny tokony hisian'ny dinika eo amin'ny tontolon'ny asa ny Sendikan'ny Mpanara-maso ny asa SAIT... ♦ Maro amin'ireo olona manana aretina mitaiza no tsy afaka manaraka na manapaka ny fitsabon-tenany noho ny fisian'ny fihibohana...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...