Ho feno zato taona amin’ny 18 Mai izao ny nahaterahan’i Karol WOJTYLA izay lasa Papa Joany Paoly faharoa ary efa olomasina ankehitriny.

Ho fanamarihana izany dia namoaka boky iray mirakitra lahatsoratra sy sary maro maneho ny tantaram-piainany ny « Librairie Editrice Vaticane » na ny LEV. Tantaram-piainany nanomboka tamin’ny nahavoafidy azy ho Papa tamin’ny 16 oktobra 1978 hatramin’ny nahaterahany any an-danitra na ny nahafatesany tamin’ny 2 avrily 2005, ahitana 128 pejy. Boky nampitondraina ny lohateny hoe : « Zato taona : Teny sy Sary ». Nofaritan’i Papa François amin’ny sasinteny manokatra io boky io ny lalan-tsarotra nodiavin’i Joany Paoly faharoa tamin’ny fiainany, indrindra tamin’ny fahatanorany izay namoizany ny fianakaviany sy ny fifikirany tanteraka tamin’ny finoana sy fahatokisana an’Andriamanitra ary ny naha-mpanabe ny tanora azy. Ankoatra ny teny italiana dia natonta amin’ny teny anglisy sy polonais ihany koa io boky io ka ny 18 Mai izao no hamoahana azy ofisialy.

 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...