♦ Tsy tratra hatramin'izao ny tanjona tamin'ny tolona 13 mey 1972, izay feno 50 taona katroka amin'ity taona ity, hoy ny mpikambana ao amin'ny hetsika 13 mey, izay hanamarika izany... ♦ Mihoa-pampana ny vola ampiasain'ny kandidà filoham-pirenena sy ireo mpanohana azy mandritra ny fampielezan-kevitra, ka namolavola tolo-dalana iray entina hamerana ny fandaniam-bola amin'ny fampielezan-kevitra ny solombavambahoaka Razafitsiandraofa Brunelle... ♦ Mitentina 7 tapitrisa Euro ny famatsiam-bola avy amin'ny AFD hanatanterahana ny tetik'asa KOBABY. Kaominina miisa 26 ao amin'ny Faritra Diana no voakasiky ny tetik'asa...
♦ Niaiky ny fahadisoany tsy nandray ny andraikitra teto amin'ny firenena hatramin'izay ny mpiasam-panjakana ambony, ary nilaza fa vonona hanarina ny firenena... ♦ Tsy tanteraka indray ny fangatahana fivoriana mikaton-trano faharoa nokasain'ny solombavambahoaka sasany notanterahana omaly... ♦ Kendrena ho vita alohan'ny 2023 ny lalambe migodana voalohany eto Madagasikara. Hiainga anio ho any Ejipta ny Ministry ny asa vaventy hanomana ny fanantanterahana izany...
♦ Nihaiky ny fahadisoany tsy nandray andraikitra teto amin'ny firenena hatramin'izay, ireo mpiasam-panjakana ambony eto amintsika, ary nilaza fa vonona ny hanarina ny firenena raha misy ny andraikitra homena azy ireo... ♦ Tsy tanteraka indray ny fangatahana fivoriana mikaton-trano faharoa, nokasain'ny Solombavam-bahoaka sasany natao androany... ♦ Mpamboly vary manodidina ny 1200 no hisitraka ny toha-drano lehibe vao navaozina any Sahabe, Amparafaravola. Notokanan'ny Filohan'ny Repoblika androany izany toha-drano izany...
Ny antony anaovan'ny olona dokotera tena dia noho ny toeram-pitsaboana lavitry ny toeranam-ponenana, eo koa ny tsy fahampian'ny fahefaha-mividy, eo koa ny fiparitahan'ny fanafody eny amin'ny toerana tsy natokana hivarotana ireny fanafody ireny. Ny olona manao dokotera tena dia ireo izay mamaritra ny fototr'aretiny samirery. Manosika ny olona hanao dokotera tena ihany koa ny toetran'ireo mpiasan'ny tobim-pahasalamana. Mahasarotra ny fitsaboana ara-medikaly ny fanaovana dokotera tena satria mety efa zary fahazarana raikitra ho an'ny vatan'ilay marary ny fanafody heverina hanasitra aretina, noho ny fihinanana fanafody be loatra tsy nahazoana toromariky ny mpitsabo... Fandaharana "Amperala Miary" vokarina eto amin'ny RDB.
Amin'izao fotoana izao dia efa misy ireo tambavy nohatsaraina ary nitondra fahasalamana ho an'ny rehetra na ilay atao hoe "RTA". Raha isika no mamaritra ny fatran'ny tambavy hampiasaintsika fa tsy miainga amin'ny fikarohana eto aloha dia mbola manao dokotera-tena ianao izay. Mba hanamorana ny fitsaboana sy ny fanaraha-maso ny fahasalamana dia entanina ny renim-pianakaviana mba hanatona ny mpitsabo akaiky azy... Fandaharana "Amperala Miary" vokarina eto amin'ny RDB.
♦ Kendren'ny vondrona Panorama hatolotra ireo Parlemanta mpanao lalàna amin'izao fivorian'izy ireo izao ilay volavolan-dalàna momba ny "code électorale unique". Ho vita amin'ity taona ity ihany koa, hoy ity vondrona ity, ilay fikaonandoham-pirenena hanomanana amin'ny 2023... ♦ Hovaina ny fomba fandoavana ny volan'ny mpisotro ronono amin'ny fanjakàna. Hampiasaina ilay E-poketra eo anivon'ny Paositra malagasy... ♦ Raim-pianakaviana iray no nampidirina am-ponja vonjimaika any Miarinarivo, noho ny nanambadiany ny zanany vavy. Tsy nisy sahy nitory ilay raim-pianakaviana ireo mpiray tanàna aminy, any Andrangy, Soavinandriana-Itasy, tao anatin'ny 12 taona nisian'ity tranga ity...
♦ Nahazo fiara avy amin'ny filoham-pirenena ny Vovonam-pirenena katôlikan'ny tanora, hanomanana ny JMJ Mada andiany faha-10 hotanterahina any Antsirabe. Natolotra tamin'ny fomba ôfisialy omaly ilay fiara... ♦ Handalo fankatoavana tsy ho ela eny amin'ny antenimieram-pirenena ny findramam-bola hanatanterahana ny tetik'asa PRIRTIM1. Heverina fa hahafoana tanteraka ny fahatapahan-jiro matetika ho an'Antananarivo sy ny manodidina ny fahatanterahan'izany... ♦ Mbola hanohy ny fanakatonana ny Anjerimanontolo eny Ankatso ireo mpiasa sy mpandraharahan'ny Oniversité, noho ny tsy fandraisana karama. Tsy nahafa-po azy ireo ny vahaolana nentin'ny Ministeran'ny fampianarana ambaratonga ambony...
♦ Nahazo fiara tsy mataho-dalana vaovao avy amin'ny Filohan'ny Repoblika, ny mpikarakara ny JMJ Mada-10, hanamaivanana ny fanomanana rehetra... ♦ Ho foana tanteraka ny tondra-drano ao Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina, rehefa vita ny fanadiovana sy ny fanitarana ireo lakan-drano mamoaka ny rano... ♦ Mbola nanohy ny fanakatonana ny Oniversite eny Ankatso androany, ireo mpiasa sy mpandraharahan'ny oniversite ao anatin'ny sendikan'ny SPATUT, manampy trotraka ny hetsiky ny sendikan'ny mpampianatra mpikaroka...
♦ Mankahery ny tanora tsy ho ketraka amin'ny famailana ny antson'Andriamanitra, i Mgr Rosario Vella, Filohan'ny Vaomieran'ny Eveka ho an'ny Fiaraha-miasa Misionera... ♦ Natao veloma farany tao amin'ny Katedraly Maria Manjaka Morondava, i Fr. Tokiniaina Olivier Cyrille... ♦ Miisa 36 ireo Gardes Suisses vaovao nanao fianihanana, noraisin'ny Papa François ny 6 mey 2022...
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe: ‘Aza mijangajanga?’ Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy, dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady. Koa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory izy ka ario lavitra anao, fa aleo zavatra iray amin’ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo. Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao, dia tapaho ka ario lavitra anao, fa aleo rantsam-batana iray amin’ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo.
Ary efa voalaza koa hoe: ‘Na iza na iza hisaotra ny vadiny, aoka hanome azy ny taratasy fisaorana.’ Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra misao-bady, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, dia mampijangajanga azy; ary izay manambady ny voasaotra dia mijangajanga."
Tamin’izany andro izany i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe: “Raha tia Ahy ianareo dia hitandrina ny didiko. Ary Izaho kosa hangataka amin’ny Ray, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo, mba hitoetra ao aminareo mandrakizay. Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy. Fa izay tsy tia Ahy kosa, dia tsy mba mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an’ny Ray Izay naniraka Ahy. Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo Aho. Fa ny Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny Anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo.
Manohy ny sehatr'asany any amin'ny distrikan'i Bealalana Faritra Sofia amin'ny fiarovana ny tontolo iainana ny Foibe FAFIALA manana ny foiben-toerany eny Ambohimangakely, distrikan'Antananarivo-Avaradrano. Tetik'asa tanterahana mandritra ity taona ity ary kaominina roa no hanaovana izany...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco