♦ Hamafisina ny fitandroana ny filaminana mandritra ny fanamarihana ny faha-65 taona niverenan'ny fahaleovan-tenan'i Madagasikara. Hahetsika avokoa ny mpitandro ny filaminana hoy ny tompon'andraikitra... ♦ Amboarina ny lalana Betsioky ao amin'ny Faritra Anôsy. Fiaraha-miombon'antoky ny Fanjakàna Malagasy sy ny orin'asa QMM no afahana manatanteraka izany. Nijery ifotony ny asa fanamboarana ny governora... ♦ Tsy nahavita nianika ny faratampon'ilay tendrombohitra EVEREST any Nepal, avo indrindra eran-tany, ireo fianakaviana Malagasy nandray anjara tamin'izany... ♦ Mihamafy ny fanafihana ataon'ny rosianina any Ukraine...
♦ Nanitsy ny resaka ahely momba ireo baobab ao amin'ny faritra arovana Ranobe PK faha-32 ny Ministry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovanin-jafy. Tsy voakitika amin'ny fitrandrahana fasimainty ataon'ny Base-Toliara izany hoy ny Ministra... ♦ Nahangona 30.000.000 Ariary tamin'ny ezaka taon-jaobily 2025 ny vahoaka sahirana eo ambany fiahian'i Mompera Pedro Opeka. Hozaraina amin'ny Diôsezin'Antsiranana sy Taolagnaro izany vola voahangona izany... ♦Nolaniana teny amin'ny antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna mifehy ny fanalalahana ny famokarana sy ny fivarotana toaka gasy ...
Ny finoana dia mampisy ny tsy misy ary ny vavaky ny maro mampisy fanantenana ; ny fahaiza-mihaino dia tena fototra tsara mahatsara ny fiaraha-monina, manampy azy ny fifanakaikezana am-po. Misy fetra ny fizahozahoana sy ny tanjaka, ary mety hakasika ny taranaka ny voka-dratsiny. Valio soa ireo izay manao ratsy anao fa singa mahasoa ny fiaraha-monina, ny asa ary ny firenena ny ezaky ny tsirairay... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Mbola tsy mifarana ny ady hevitra momba ny fitrandrahana hataon'ny Base Toliara, na dia efa nidina ifotony nanazava sy niresaka tamin'ny alalan'ny lahateny mivantana tamin'ireo olona mandà ny tetikasa aza ny Filohan'ny Repoblika... • Mahantra manampy ny mahantra. Nanao ezaka ho an'ny taon-jobily 2025, ireo vahoaka sahirana eo ambany fiahian'i Mompera Pedro, ka nahangona vola 30 tapitrisa Ariary... • Omena sehatra hampahafantarana ireo asam-pikarohana sy voka-pikarohana ao aminy, ireo oniversitem-panjakana manerana ny nosy, araka ny tinapaky ny COPRIES, izay rafitra ambony manapaka ny fiainan'ny oniversite...
Ny reny no akaiky sy maharaka indrindra ny fiainan'ny zanaka indrindra ny fianarany. Ny reny dia feno fanekena : nanaiky ny ho vady ary nanaiky ho reny, nitondra 9volana an-kibo ; ny reny dia misy fifamatorana amin'ny zanaka. Mitebiteby sy mihevitra hatrany ny fianaran'ny zanany ny reny ; afaka mamarana amin'ny fomba mahomby kokoa ny taom-pianarana miaraka amin'ny zanany ny reny, famerenan-desona, fanomanana fanadinana... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Nanamarika ny taon-jaobily 2025 ny teny amin'ny Nonciature omaly. Fotoana nifampiarahaban'ireo Corps Diplomatiques tamin'ny nahazoana ny Papa vaovao... ♦ Ny Faritra Diana ao Nosy-Be indray no handray ny filan-kevitry ny ministra amin'ity anio ity, taorian'ny tany Mahajanga sy Toliara. Isanyho resahina mandritra izany ny olan'ny famatsiana herinaratra misy any an-toerana... ♦ Ilaina fanazavana ny teti-bolam-panjakàna hoy ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa. Tsy voatery tsy maintsy hisy fanovana entina ny LFR, araka ny lalàna hoy ny solombavambahoaka sady mpahay lalàna Imbiky Herilaza...
♦Mihamafy ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'Antananarivo sy ny manodidina, haharitra 15 andro any ho any ny ho faharetan'izay, ka mahatratra ora 2 na 3, isaky ny faritra voakasika... ♦ Hiantso fihaonana mivantana amin'ny birao maharitra eo anivon'ny Antenimieram-pirenena ireo solombavambahoaka mpanohitra, nahemotra amin'ny fotoana tsy mbola voafaritra ny lahadinika naroson'izy ireo... ♦ Laharana fahatifo aty Afrika amin'ny famokarana tantely i Madagasikara, mamokatra tantely 3.000-4.000 taonina isan-taona isika araka ny tarehimarika nivoaka ny taona 2023...
• Tsy raikitra fa ahemotra amin'ny fotoana manaraka mbola tsy voafaritra ny lahadinika naroson'ny depiote mpanohitra, niantsoana ireo minisitra efatra eny Tsimbazaza. Tsy azo leferina intsony ny fanitsakitsahana lalana ataon'ny mpanao lalana tahaka izao, hoy ny Solombavam-bahoka mpanohitra, Hanitra Razafimanantsoa... • Hiditra amin'ny andiany faha-11 ny hetsika iraisam-pirenena ho an'ny fizahan-tany, na ny ITM, amin'ity taona ity. Hotanterahana ny 12 hatramin'ny 15 jona 2025 etsy CCI Ivato izany... • Tanterahana any Mahajanga androany sy rahampitso ny fikaonan-doham-pirenena sy fifanakalozana momba ny tantely, iarahan'ny Tranoben'ny Tantsaha sy ny FAO mikarakara...
♦ "Ny fitiavan-tanindrazana mitarika fandrosoana", izay no tara-kevitra hankalazana ny fetim-pirenena amin'ity taona ity, dia ny faha-65 taona niverenan'ny fahaleovantenam-pirenena. Nampahafantarina tamin'ny fomba ôfisialy androany teny amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny sary famantarana ny fankalazana... ♦ Hitarina sy asim-panavaozana ny trano misy ny Ivon-toeram-pirenena momba ny fizahan-tany sy ny fitantanana ny trano fandraisam-bahiny INTH, eny Ampefiloha... ♦ Hita faty nihatona tamin'ny tady ny ben'ny tanànan'i Bemanonga Morondava teo aloha, Roberto Miadamana... ♦ Misesisesy ny fandraisan'ny Papa Léon-XIV ireo tompon'andraiki-panjakàna vahiny ao Vatican...
Ny ohabolana dia karan-dahabolana Malagasy ary iombonan'ny Malagasy rehetra, lahabolana efa nisy tamin'ny faha-Ntaolo ary mbola ampiasaina ankehitriny. Ny ohabolana dia mety ho fehezan-teny tsoa-tokana na mifamaly rafitra, indrindra ara-kevitra, hatarafana fananarana sy fanabeazana ary fampitàna hafatra, atao an'ohatra. Mbola azo atao ny mamorina ohabolana ankehitriny rehefa hatarafana ireo fepetra voalaza etsy aloha. Manomboka amin'ny sakan-jaza no miakatra dia afaka manao izany ohabolana izany...
♦ Ao anatin'ny fiomanana tanteraka amin'ny fandraisana ny andro nasiônaly ho an'ny vovonan'ny olon-dehibe amin'ny volana aogositra izao ny Diôsezin'i Morondava... ♦ Hatomboka amin'ny fiandohan'ny volana jona izao ny fankalazana ny faha-65 taona niverenan'ny fahaleovantenan'i Madagasikara... ♦ Nandiso ny fivoizana amin'ny fisian'ny baiko nataon'ny Ministry ny Fitsaràna tamin'ny fifaninanana fandraisana mpandraharaha ny fonja farany teo, ny tale jeneralin'ny sekolim-pirenena manofana ho mpandraharaha ny fonja... ♦ Namoaka didy ny fampanoavana any Rosia fa tsy afaka miasa any amin'ity firenena ity ny Amnesty International...
• Ireo tsara ho fantatra sy ny fanentanana momba ny Andro Nasionaly ho an'ny Vovonan'ny Olondehibe, amin'ny volana aogositra any amin'ny Diosezin'i Morondava... • Hatomboka amin'ny fiandohan'ny volana jona izao ny fankalazana ny faha-65 taona niverena'ny Fahaleovan-tenan'i Madagasikara... • Nandiso ny fivoizana amin'ny fisian'ny baiko nomen'ny Minisitry ny Fitsarana, tamin'ny fifaninanana fandraisana mpandraharahan'ny fonja farany teo, ny Tale jeneralin'ny Sekolim-pirenena manofana ho Mpandraharahan'ny Fonja, na ny ENAP...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco