Ny asa dia talenta izay azo adika hoe fananana. Manana fahaizana, tsy mitovy isika olombelon ary io fahasamihafana io no mifameno. Samihafa ny fahaiza-manao ananan'ny olombelona rehetra ary fanomezam-pahasoavana manokana io. Ampiasaina araka ny fitokisan'Andrimanitra amintsika ny talenta, izay misy dingana : andrana, mitombo traik'efa ary tonga ho mpiasa raikitra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Melohan'i Jesoa ny hakamoana, tsy mampiasa ireo fahasoavana nomen'Andriamanitra. Tsy maintsy miasa ny olombelona mba hamerenana izay nomen'Andriamanitra, izay nomeny miaraka amin'ny tombony. Ny olombelona mipetra-potsiny dia mamono tena ary melohan'i Jesoa. Mamporisika antsika hampitombo ny talenta ny Tompo. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Homen-kasina ny asa satria loharanon-karena hanosehana ny fahantrana. Atao amim-pahatahorana an'Andriamanitra ny asa mba ahitana vokany, ary hanasoavana ny tena sy ny fianakaviana ary ny fiaraha-monina. Miasa isika mba hamelona ny aina nomen'Andriamanitra. Amin'ny sehatry ny asa dia melohan'ny Eglizy ny kolikoly sy ny fahalovana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Aleo kely ombam-pahatahorana ny Tompo, toy izay ny harem-be omban'ny tsy fahamarinana. Matoa mahantra ny firenena dia mbola betsaka ny kolikoly. Ilaina ny fialan-tsasatra satria izany no hatsiarovana ny asan'Andriamanitra, tamin'ny fahariana izao tontolo izao. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny sabata hisokafana amin'ny mahantra ; ao amin'ny Testamenta Taloha dia niasa 6 taona ny olona fa ny taona 1 hitsaharana, hitsinjovana ny mahantra izany hoe taona fahafito. Voafatotry ny tsy maintsy ilàna ny asa ny olombelona, ka ny fialan-tsasatra no manampy azy hanantena fahafahana feno ampoka kokoa dia ny fanantenana an'ilay Sabata any amin'ny mandrakizay. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Tsy maintsy iahiana ny vatana sy ny fanahy ny asa. Raha ny vatana fotsiny no iahian'ny asa dia lasa fanandevozana. Tsy natao hikendrena ny haren'ny tany fa hikatsahana ny famonjena ny fanahy, io no tokony laharam-pamehana. Tsy tokony hiteraka tebiteby ny asa : rahefa maro ny zavatra manahiran-tsaina sy mampitotototo ny olona, dia ahiana hataony tsirambina ny Fanjakan'Andriamanitra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny fahatsapana fa mandalo ny endrik'izao tontolo izao dia tsy manafoana ny andraikitra tokony horaisina eo anivon'ny tantara, na indrindra ny adidy tokony hiasana fa ao anatin'ny lalam-piainan'ny olombelona tanteraka izany, na dia tsy izany aza no hany antony ahavelomana. Didian'Andriamanitra hiasa ny olombelona : izay tsy miasa aoka izy tsy hihinana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Manana andraikitra ny tsirairay ao amin'ny ankohonana misy azy. Ny fianakaviana iray mifankatia dia samy manana ny anjara andraikiny sy manao asa tandrify azy. Ny asa mendrika dia fiheveran'ny tsirairay ny fikoloana ny soa iombonana. Tsy "asana mpanompo ny asa fa fifamenoana eo amin'ny mpiasa sy ny mpampiasa ary handraisana tambiny ara-drariny. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Fifamenoana eo amin'ny mpiasa sy ny mpampiasa ary handraisana tambiny ara-drariny no tena asa. Zava-dehibe ny fitsaharana mba entina hitsinjovana ny namana sy ny manodidina. Manana ny hasiny ny asa satria fomba iray hiadiana amin'ny fahantrana. Melohan'i Jesoa Kristy ny olona tsy miasa fa midonanampoana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Manimba ny maha-olona ny midonanam-poana. Mahasoa ny vatana sy ny saina ny miasa fa tsy hihinana fotsiny, izany hoe mitsinjo ny hafa ihany koa. Tompon'andraikitra amin'ny tsy fananana asa ny mpitondra rehefa manapotika orinasa tsy ara-drariny sy manimba ny tontolon'ny asa. Adidin'ny Eglizy ny miteny manoloana ireny tsy rariny ireny. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Adidin'ny Fanjakàna ny mampihatra pôlitika mahomby ny asa ka isan'izany ny manome vahana ny famoronana ny asa manerana ny firenena, eo koa ny fanohanana ny olona amin'ny asa famokarana. Adidin'ny Fanjakàna ihany koa no mampirisika ny olona hiantsehatra satria tsy ho araky ny Fanjakàna irery izany fa na izany aza dia tsy maintsy miezaka araka izay tratra ny mpitantana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Adidin'ny Fanjakàna ny manohana ny orinasa osa ; ohatra amin'ny lafiny fitaterana. Fitsinjovan'ny Fanjakàna ny vahoaka ny fanohanana ny orinasa. Misy ny fifanekena mitandro ny zo hanana asa, fiaraha-miasa iraisam-pirenena. Anatin'ny fifanekena no hametrahana ny fanajana ny zo sy ny hasina ary ny rariny ho an'ny mpiasa sy ny mpampiasa. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco