Ny asam-panjakàna dia isan'ny voaresaka ao amin'ny Baiboly ihany koa dia ny niantsoan'i Jesoa Kristy an'ireo mpamory hetra. I Matio dia mpamory hetra no nantsoin'i Jesoa Kristy ary nanaiky araka nanao asa araka ny andraikitra nomena azy. Ny Polblikana dia mpiasa-panjakàna, mpamory hetra teny amin'ny seranan-tsambo, mitaky hetra mihoampapana, anefa nanaiky hiova ho mpanarato olona. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny vehivavy jody dia tsy nanana asa, ivelan'ny tokantrano, izany hoe mikarakara tokantrano sy ny ankohonany. Manana anjara asa lehibe ny vehivavy, indrindra teo amin'ny tantaram-pamonjena ; niara niasa tamin'i Masina Maria ho fahatongavan'Andriamanitra ho nofo ny Andriamanitra Ray. Tsy azo afangaro ny adidin'ny lehilahy sy ny vehivavy. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Maro ireo nihevitra fa mpiray petsapetsa amin'ny mpanota i Jesoa Kristy tamin'ireo fanasana natrehany. Ny asa dia ahitana fifanaharana hatrany, ohatra : rehefa nantsoin'i Jesoa Kristy dia nanaiky ho diovina i Matio. Azo atao tsara ny miasa ara-pahamarinana sy ara-drariny ho fanasoavana ny daholobe. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Araka ny voasoratra ao amin'ny Soratra Masina dia misy fanoharana momba ny asa hita ao : ny voalohany ny tantaran'ilay zaza mpandany, ny faharoa fanoharana ny momba ny talenta ary ny fahatelo dia ny fanoharana mikasika ny mpiasa eo amin'ny tanim-boaloboka. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ilay zaza mpandany dia nanao sesi-tany ny tenany, anefa noraisin'ny Rainy rehefa nody sy nibaboka, tsy nahafaly an'ny zanaka tao an-trano anefa izany. Hita taratra tamin'io tantara io ny asa nataon'ilay zaza mpandany, ny toe-piainan'ireo tantsaha sy ny fiompiana hataony, ny fifanampian'ny ankohonana sy ny fifankatiavana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny endriky ny asa ao anatin'ilay fanoharana momba ny zaza mpandany dia asa manandevo satria miara-miaina amin'ny biby. Rehefa niaina tao anaty fahantrana lalina dia nitodika tany amin'ny rainy ilay zaza, nibebaka ka nangataka ho mpiasa noho ny hanoanana. Ny asa eto : ilay olona andevozon'ny kibo, andevozin'ny nofo ; andevo satria tsy afaka fa teren'ny fotoana sy kibo. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ilay zaza mpandany dia lasa voafehin'ny filan'ny nofo, noana izy ary ny fijalian'ny nofony no nahatonga azy hiasa. Niova ny fifandraisana nisy teo amin'ilay zaza mpandany sy ny ray aman-dreniny, izay no nitondra azy tamin'ny kilasin'ny mpiasa ; ny tokony ho izy dia mpiara-miasa ny ray aman-dreny sy ny zanaka ary tanjona ny fanasoavana ny hafa. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Antso avy amin’Andriamanitra ny asan’ny vehivavy mpikarakara tokantrano. Ny hevitry ny asa dia fantatra tsara ao amin’ny fanoharana 3 ao amin’ny Soratra Masina. Ny asa dia endrika fanandevozana rehefa tsy an-tsitrapo. Ohatra amin’izany ilay zanaka mpandany: tsy olona afaka izy fa voagejan’ny fotoana sy ny hanoanana. Ny mpiasa dia manana fifanarahana mazava ahafahana miasa ara-drariny. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny Eglise miara-dia maneho ny fiaraha-misalahy, fiarahana manatratra tanjona iray. Rehefa tsy miara-dia dia trotraka eny an-dalana ; toy ilay zaza mpandany izay trotraka noh ny fisitahany tamin'ny ankohonany, ary ny zokiny lahy dia nisitaka tamin'ny fiombonana ao amin'ny rainy. Fepetra tsotra amin'ny fifandraisana ao an-tokantrano : fifampitokisana eo amin'ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Tsy tokony aompana amin'ny ara-toekarena fotsiny ny asa fa hitsinjovana ny mpiara-belona sy fanompoana an'Andriamanitra. Ny toetra ny ray ao anatin'ilay fanoharana mikasika ny zaza mpandany dia izy manova toe-po sy toe-tsaina porofo ny nampiankajoana ilay zaza mpandany, ny nampisakafoany sy nampiantranoiny azy. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny hoe asa an-terivozona dia asa tsy hananana fahafahana, tsy afahana mamorona, asa lavitry ny fahamendrehana. Ny fahafahana nentin'Andriamanitra dia fanafahana ny vahoaka tsy hanompo mpanjaka fa hanompo an'Andriamanitra. Ny asa an-terivozona dia asa tsy afahana mihary sy miaina ny sitrapon'Andriamanitra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Fenitra voajanahary hatrany am-piandohana ny asa ho an'ny olombelona, ary efa nisy talohan'ny fahalavoana izy, koa tsy sazy na ozona velively. Lasa hasasarana sy fahasahiranana izy noho ny fahotan'i Adama sy Eva, izay nanapaka ny fifandraisana tamim-pitokisana ary nirindra teo amin'izy ireo sy Andriamanitra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco