♦ Mbola nanazava ny momba ny didim-pitsarana na ny ordonnance ahafahana manoratra ny anarana ao amin'ny lisi-pifidianana indray ny CENI. Nambara fa ireo olom-pirenena efa nisoratra anarana kanefa tsy tafiditra tao anatin'ny lisitra teo aloha no afaka manao fangatahana. Toa izany koa ireo feno 18 taona ka mahafeno ny fepetra ho mpifidy... ♦ Dinihan'ny antenimieran-doholona androany ny volavolan-dalàna momba ny fandaharan'asa tetezana miantona na ny Fly Over Makis... ♦ Marin-toerana ny toe-karena teto Madagasikara ka notazonin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara ny tahan'ny zana-bola fampiasa ao aminy...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 12, 1-3)

Amin’izany andro izany dia ho voavonjy ny vahoakanao.

Amin’izany andro izany, hitsangana i Misely ilay filoha ambony,
izay miandany amin’ny zanaky ny firenenao,
ka amin’izany no ho androm-pahoriana tsy mbola nisy toa azy,
hatrizay nisian’ny firenena, ka hatramin’izany andro izany.
Amin’izay dia ho voavonjy ny firenenao,
dia izay rehetra hita voasoratra eo amin’ny boky.
Ary maro amin’ireo mandry ao amin’ny vovo-tany no hifoha:
ny sasany ho amin’ny fiainana mandrakizay;
fa ny sasany ho amin’ny latsa amam-panariana mandrakizay.
Izay ho efa hendry hamirapiratra hoatra ny famirapiratry ny lanitra;
ary izay ho efa nitarika ny maro ho amin’ny fahamarinana,
ho tahaka ny kintana mandrakizay.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 15, 5 sy 8 .9-10. 11

Andriamanitra ô, ambeno aho mifefy aminao!

Ny Tompo ny ahy no zara lovako;
Ianao no rakitro mateza.
Ataoko eo anoloana hatrany ny Tompo,
izaho tsy hiala eo ankavanany.

Koa faly ny foko, ravo ny fanahiko,
ny nofoko avy no mandry amin-toky.
Ny fanahiko tsy hafoinao ho any an-tSeoly,
ity sakaizanao tsy hekenao hahita ny hady.

Fa ny lalan’ny fiainana
no hatoronao ahy:
hafenoam-pifaliana eo anoloanao,
hafinaretan-dava eo ankavananao.

Vakiteny faharoa

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 10, 11-14. 18)

Fanatitra iray monja dia ampy handavorariany mandrakizay izay nohamasininy.

Ry kristianina havana, ny mpisorona rehetra dia mijoro isan’andro hanao ny raharahany,
sy manolotra matetika ireny sorona tsy nahafa-pahotana akory ireny,
fa i Kristy kosa indray mandeha monja no nanolotra sorona noho ny ota,
dia mipetraka mandrakizay eo ankavanan’Andriamanitra;
ka hatramin’izao Izy dia miandry ny hanaovana ny fahavalony ho fitoeran-tongony rahatrizay.
Fanatitra iray monja dia ampy handavorariany mandrakizay izay nohamasininy;
ka rehefa voavela ny fahotana, dia tsy ilaina intsony ny sorona noho ny ota.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Miambena sy mivonòna ianareo: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 13, 24-32)

Hanangona ny olom-pinidy avy amin’ny vazan-tany efatra Izy.

Tamin’izany andro izany
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany ny amin’ny hiverenany nanao hoe;

“Amin’izany andro izany, rehefa afaka ireo fahoriana lehibe,
ny masoandro hihamaizina, ny volana tsy hazava intsony,
ny kintana any an-danitra hiraraka, ary ny herin’ny lanitra hihozongozona.
Dia ho hita amin’izay ny Zanak’olona avy eo ambonin’ny rahona amin-kery lehibe sy voninahitra.
Amin’izay Izy dia haniraka ny Anjely ary hanangona ny olom-pinidy avy amin’ny vazan-tany efatra,
hatramin’ny faran’ny tany ka hatramin’ny faran’ny lanitra.
Alaovy ho fanoharana ny aviavy.
Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina,
dia fantatrareo fa efa antomotra ny fahavaratra.
Toy izany koa, rehefa hitanareo fa tonga izany zavatra izany,
dia fantaro fa efa antomotra mby eo am-baravarana Izy.
Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany ity taranaka it
mandra-pahatongan’izany rehetra izany.
Ho levona ny tany aman-danitra, fa ny teniko tsy mba ho levona.
Izany andro sy ora izany anefa, dia tsy misy mahalala,
na ny Anjely any an-danitra, na ny Zanaka aza,
afa-tsy ny Ray ihany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Isany fototra hatongavana ho amin'ny fandrosoana ny safidy, izay fahafahana misy eo amin'ny tsirairay, indrindra ho an'ny olom-pirenena. Safidy ratsy ny fanapotehana ny ho avin'ny ankizy, indrindra izay mahakasika ny fanabeazana ; ny fanaovana tsinotsinona ny lafiny ara-panabeazana dia fanimbana ny fototry ny fampandrosoana. Ny fitiavan-tanindrazana dia ny fanomezan-danja ny soa iombonana ho an'ny vahoaka 30 tapitrisa eto amin'ny nosintsika. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Mivory ara-potoana toa ny fanao isan-taona ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara. Fivoriana nanomboka ny 5 novambra lasa teo hatramin'ny 15 novambra ho avy izao... ♦ Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy omaly ny taom-pianarana 2024-2025 ho an'ny sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo. Ny Distrika Misiôneran'i Itaosy no nandray ny lanonana... ♦ Nampiantso ministra vitsivitsy ao amin'ny governemanta hanazava ny momba ny fahapotehan'ny lalana sy ny olan'ny angovo anio ny solombavambahoaka eny Tsimbazaza raha tsy misy ny fiovana. Ny solombavambahoaka avy amin'ny fanoherana no namaritra io fandaharam-potoana io...

Voalohan-toerana manabe amin'ny fivavahana ny fianakaviana kristianina ; noho ny fianakaviana kristianina miorina amin'ny Sakramentan'ny Fanambadiana, ka manjary "Eglizy ao an-tokantrano" izy, mianatra mivavaka ao ny zanak'Andriamanitra. Tompon'andraikitra amin'ny fanabeazana ny rahalahin'izy ireo sy ny anabaviny ao amin'i Kristy, amin'ny fivavahana ireo mpandraharaha voahosotra... Katesizy momba ny "mivavaka amin'ny fiainana andavanandro", iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.

♦ Nosokafana teny amin'ny Lycée Catholique Saint Michel Itaosy androany ny taom-pianarana 2024-2025 ho an'ny Sekoly Katôlika, ato anatin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Hisy indray rahampitso ny Minisitra ao amin'ny Governemanta, hihaona mivantana amin'ireo Solombavam-bahoaka eny Tsimbazaza. Nampiantsoina amin'izany ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, sy ny Minisitry ny Asa Vanenty... ♦ Tsy hanova ny fifandraisan'i Etazonia sy i Madagasikara, na iza na iza lany ho Filoham-pirenena any an-toerana...

♦ Ministra miisa roa anatin'izao governemanta izao no nanao antso hampandaniana ny kandida-panjakàna ben'ny tanàna tao Mahajanga, miantso ny CENI handray andraikitra manoloana izany ny kandidàn'ny Firaisan-kina any an-toerana... ♦ Mivadika ho hetsika fanakorontanana ny fitakiana ataon'ny mpanjifa milaza ho leo "delestage" eto Antananarivo sy ny manodidina, tsy maintsy mandray andraikitra manoloana izany ny avy amin'ny mpitandro ny  filaminana hoy ny ministra miandraikitra ny zandarimariam-pirenena... ♦ Nankatoavin'ny antenimieram-pirenena ny findramam-bola mitentina 31,5 tapitrisa dôlara amerikanina hanaovana ny tetik'asa Fly Over Makis, vinavinaina ho vita amin'ny taona 2028 ny asa...

Ny hoe "mitoka-monina" dia ireo misafidy mandeha irery, tsy te hifandray amin'ny hafa, manohy ny fiainany manokana. Ny mahatonga ny olona "mitoka-monina" dia tahotra ary misy koa ireo mihevitra fa mahavitatena. Ny fihetsik'ireny olona mitoka-monina ireny dia manosika ny fiaraha-monina hanilika azy ireny ; sakana tsy afahana mivoatra ny fitokana-monina satria mety tsy ho voakasika daholo ny lafiny mahaolona dia ny vatana, saina, fanahy, fiaraha-monina... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Nahavita ny fihaonana notanterahana teto Madagasikara ireo lehiben'ny fikamban'ny Salezianin'i Don Bosco manerana ny faritr'i Afrika sy Madagasiraka miaraka tamin'ireo solontena isaky ny Province... ♦ Nangataka herinandro indray hamahana ny olan'ny fahatapatapahan'ny herinaratra eto Antananarivo sy ny manodidina ny tale jeneralin'ny orinasa JIRAMA sy ny Ministry ny Angovo sy Akoran'afo... ♦ Nanao hetsika firaisan-kina teny amin'ny fitsaràna tampony Anosy omaly ny sendikan'ny mpitsara, taraiky noho izany ny fanombohan'ny raharaham-pitsaràna ho an'ireo nanan-draharaha... ♦ Mitarika vonjimaika tamin'ny fifidianana filoham-pirenena Amerikanina ny kandidàn'ny repoblikanina Donald Trump...

Antson'Andriamanitra ny fivavahana, na manadino ny Mpahary azy aza ny olombelona, na miafina lavitra ny Tavany aza, ary na manaraka ny sampiny aza ny olombelona, dia tsy mety sasatra miantso ny olona tsirairay Ilay Andriamanitra velona sy marina, mba hihaona Aminy amin'ny fomba mistery amin'ny fivavahana. Mamelona ny fanantenana ao amintsika ny vavaka... Katesizy momba ny "mivavaka amin'ny fiainana andavanandro", iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.

♦ Nahavita ny fihaonana notanterahana teto Madagasikara ireo lehiben'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco manerana ny Faritr'i Afrika sy Madagasikara, miaraka amin'ireo solontena isaky ny Province... ♦ Hihena hatrany amin'ny 80% ny delestazy ho an'Antananarivo sy ny manodidina, hoy ny Tale Jeneralin'ny Jirala androany. Ankoatra ny tsy fahampian'ny rano ao Andekaleka dia nanampy trotraka ny tsy fahampian'ny menaka mavesatra avy any Toamasina... ♦ Nanatanteraka hetsika ho firaisan-kina manoloana ny zava-nanjo ny namany, ny Sendikan'ny Mpitsara eto Madagasikara...

Fizarana ny traik'efam-piainana niarahana tamin'i Gisela, mahakasika ny sinaodin'ny tanora, Sinaody ho fankalazana ny faha-200 taona ny nofin'i Don Bosco, izay natao tany Turin ny 11 hatramin'ny 16 Aogositra lasa teo... Fandarahana "onjam-panahy" iarahana amin'i Anna Domoina eto amin'ny RDB.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...