Manatevina ny fifehezan’ireo tantsaha mpiompy tantely ny teknika momba izany ny Tranoben’ny Tantsaha Mpamokatra Nasionaly. Nisitraka fiofanana nokarakarainy ireo tantsaha anatin’ny vovonam-pikambanana miisa telo ato amin’ny Faritra Analamanga. Fampiofanana tafiditra anatin’ny tetik’asa FFF FAO, izay miady amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Mahatsapa ny Tranoben’ny Tantsaha Mpamokatra fa mandray anjara betsaka amin’izay asa izay ny tantely. Amporosihana noho izany ireo tantsaha ireo hiompy tantely sy hivelatra amin’izay fihariana izay hoy Andriamatoa Elysé RAHARISON, tompon’andraikitra ara-teknika ao amin’ny Tranoben’ny Tantsaha...

♦ Mitaky ny famoahana ny Kôlônely FANAPERA nosamborin'ny mpitandro filaminana tao Toliara ny zanany sy ireo tsy mankasitraka ny fitrandrahana fasimainty ao amin'ny Faritra Atsimo-andrefana. Politika sy tombontsoa manokana no fototry ny olana momba ity raharaha ity hoy ny fikambanana Toko Bey Telo... ♦ Mila manokana teti-bola afahana mamokatra masomboly mahazaka ny fiovaovan'ny toetry ny andro ny Fanjakàna hoy ny solombavambahoaka Rajerison Antoine raha te hahavita teny ara-tsakafo isika... ♦ Nampiofana an'ireo tantsaha ato amin'ny Faritra Analamanga momba ny fiompiana tantely sy ny fanamboarana tranon-tantely ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Nasiônaly...

Zavatra iray tsy azo tsinotsinoavina eo amin'ny fianan'olombelona ny fifandraisany, na aman'olona, na amin'ny zava-boahary manodidina azy, na amin'Andriamanitra. Ho an'ny tanora dia manampy azy hivelatra ny fananana namana, mila fitandremana nefa ny fisafidianana ireo namana. Ny tena mpinamana dia mifampitarika amin'ny soa. Ny fitondran'ny namana na ny olona akaiky anao ny VIH/SIDA dia tsy antony tokony hanilikilihina azy velively. Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Naneho hevitra momba ny zava-nitranga tamin'ny alahady teo, taorian'ny fivorian'ny OMC Reg ny Prefet an'i Toliara. Miantso ny vahoaka ao Toliara hanaja ny lalàna velona sy manan-kery izy. Miantso fifampiresahana sy firaisan-kina eo amin'ny samy vahoaka ny governoran'ny Faritra Atsimo-andrefana... ♦ Tetik'asa Tanamasoandro, tsy ampy ny tatitra ataon'ireo iraky ny fitondrana mamolavola ny tetik'asa hoy ny Ben'ny Tanàna ao Imerintsiatosika... ♦ Hiaro ny teny nataon'ny fitondràna momba ny fanjariantsakafo ny solontenan'i Madagasikara mandray anjara amin'ilay fihaonambe eran-tany momba ny fanjariantsakavo hatao any Paris...

• Nahazo “Recteur Majeur” vaovao ny Fikambanana Salezianina maneran-tany. I Mompera Fabio Attard no nanankinana izany andraikitra izany nandritra ny fifidianana natao tao anatin'ny “Chapitre Général faha-29”... • Terena hampiasa kaontera aloa mialoha ny Kaominina Imerintsiatosika. Nisy ny iraky ny JIRAMA tsy mitondra taratasy fampahafantarana mirakitra izany tonga teny an-toerana, hoy ny Ben'ny Tanana Parisoa Andriambololonarivo... • Nivory androany ny Fikambanan'ny Zanak'i Sakalava sy ny Minisiteran'ny Kolontsaina sy ny Serasera. Tapaka nandritra izany fa halamina rahampitso ny toerana hametrahana ny kabeson'ny Ampanjaka Toera...

I Mompera Fabio Attard no voafidy ho dimbin’i Don Bosco faha-11, amin’ny fitantanana ny Fikambanana Salezianina maneran-tany. Izy no heverin’ireo mpifidy miisa 220 tao amin’ny “Chapitre Général” fa manana ny fihiziana salezianina araka ny vanim-potoana ankehitriny. Fikambanana izay misy relijiozy miisa 13.750, miasa amin’ny provinsy 92, amin’ny kaontinanta dimy.

• Mbola tsy afa-doza ny lemak'Antananarivo amin'ny fiakaran'ny rano. Mbola mihatra ny filazana loza fampitandremana amin'ireo toerana lalovan'ny renirano Sisaony, hoy ny filazana avy amin'ny APIPA, androany maraina... • Lsa fiarovana tombontsoa miafara amin'ny fifofoana aina ny fanaovana politika eto Mdagasikara, hoy ny antoko VHT, manoloana ny tranga nisy tato ho ato... • Namoahan'ny Kaominina didy ny fifehezana ny vidim-bary any amin'ny Kaominina Amboasary Gara, Moramanga. Nampitandrina ireo mpivarotra manararaotra ny Ben'ny Tanana any an-toerana...

• Resin'i Ghana ny Barean'i Madagasikara alina, anatin'ny lalao fifanintsanana Mondial 2026. Mbola laharana faharoa vonjimaika ao amin'ny Vondrona I isika, na eo aza izany... • Olona telo no maty, vokatry ny fiavian'ny oram-be niteraka tondra-drano teto Antananarivo, ny faran'ny herinandro teo. Mahatratra 9.761 ny isan'ny traboina, araka ny tatitra avy amin'ny BNGRC... • Mbola miato ny fampianarana eny amin'ny CISCO Atsimondrano ho an'ny anio amin'ny ZAP maromaro, noho ny mbola fiakaran'ny rano. Toa izany koa ho an'ny ZAP sy ny sekoly maromaro ho an'ny CISCO Ambohidratrimo...

• Hampiantrano ny Kintana Maintin'i Ghana, any an-tanin'olona afaka ora vitsy, ny Barean'i Madagasikara... • Namoaka ny tatitra vonjy maika vokatry ny rotsak'orana eto Analamanga nanomboka ny 22 hatramin'ny androany 24 marsa 2025, ny Minisiteran'ny Atitany sy ny BNGRC... • Misy ireo sekoly mbola hampiato ny fampianarana ho an'ny rahampitso...

• Tafajoro ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny Aumônerie Catholique de l'Administration Pénitencière na ny ACAP, izay miandraikitra ireo mpikatroka eny anivon'ny fonja... • Ny 26 sy 27 avrily 2025 no hanatanterahana any Vohipeno ny pelerinazy diosezanina, iarahana amin'ny Olontsambatra Lucien Botovasoa... • Manosika antsika kristianina hanova fiainana ny faharetan'Andriamanitra, hoy ny Papa François omaly, tao amin'ny fandalinam-pinoana nomaniny, nozaraina tao amin'ny tranon-kalam-pifandraisan'i Vatican...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ez. 37, 21-28)

Ataoko firenena iray ihany eo amin’ny tany izy ireo.

Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:

“Indro halaiko any amin’ny firenena nalehany, ny zanak’i Israely;
hangoniko avy any rehetra any izy,
dia hoentiko miverina eo amin’ny taniny.
Hataoko firenena iray ihany eo amin’ny tany,
eo ambonin’ny tendrombohitr’i Israely izy;
mpanjaka iray ihany no hanjaka amin’izy rehetra;
tsy ho firenena roa intsony izy,
na tafasaraka ho fanjakana roa.
Tsy handoto tena intsony izy, na amin’ny sampiny,
na amin’ny fahavetavetany, na amin’ny hadisoany rehetra,
hovonjeko ho afaka amin’ny fiodinany rehetra nanotany izy,
ary hodioviko;
izy ireo ho vahoakako, ary Izaho ho Andriamanitr’izy ireo!
I Davida mpanompoko no ho Mpanjakany
ary izy rehetra hiray mpiandry, hanaraka ny fitsipiko,
hitandrina ny didiko, ary hanaraka izany.
Honina eo amin’ny tany nomeko an’i Jakôba mpanompoko
sy nonenan’ny razany izy ireo;
dia honina eo izy mbamin’ny zanany sy ny zanaky ny zanany mandrakizay,
ary i Davida mpanompoko no ho filohany mandrakizay.
Sady hanao fanekem-pihavanana amin’izy ireo Aho,
ka ho fanekena aminy mandrakizay izany;
ary Izaho hanorina azy, hampitombo azy,
ary hanangana ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay.
Ny fonenako, ho eo ambonin’izy ireo.
Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho vahoakako.
Dia ho fantatry ny firenena fa Tompo Aho manamasina an’i Israely,
rahefa eo aminy mandrakizay ny fitoerako masina.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

(Jer. 31, 10. 11-12ab. 13)

Hiambina antsika toy ny mpiandry ondry miandry ny ondriny ny Tompo.

Henoy ny tenin’ny Tompo, ry firenena,
ka ambarao an’ireo nosy any lavitra!
Ilay nampiely an’i Israely dia hanangona,
ary ho toy ny mpiandry miambina ny ondriny.

Eny, ny Tompo hanafaka an’i Jakôba,
sy hanavotra azy amin’ny tanan’ny mahery noho izy
ka ho avy amina hobin-kafaliana izy ireo
eny amin’ny havoan’i Siôna.

Amin’izay ny tovovavy dia hifaly amin-dihy;
ny tovolahy, ny zokiolona koa dia hitavana.
Ny fisaonany hampodìko ho haravoana,
hafaliana no hatambiko ny fahoriany.

Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra; amereno ny hafaliana avy amin’ny vonjinao.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 11, 45-56)

Ho faty i Jesoa mba hamory ho antokony iray ny zanak’Andriamanitra izay efa niely.

Tamin’izany andro izany,
maro tamin’ny Jody izay tonga tao amin’i Maria sy i Marta
sy nahita ny nataon’i Jesoa no nino Azy.
Fa ny sasany tamin’izy ireo kosa
dia lasa nankany amin’ny Farisianina,
ka nilaza taminy izay nataon’i Jesoa.
Dia namory ny mpanolo-tsaina ny lehiben’ny mpisorona
sy ny Farisianina ka nanao hoe:

“Inona ity ataontsika,
fa manao fahagagana maro iny Lehilahy iny?
Raha avelantsika hanao ihany Izy,
dia hino Azy ny olona rehetra,
ka ho avy ny Rômanina dia haka ny tanànantsika
sy ny firenentsika.”

Dia hoy ny anankiray tamin’izy ireo atao hoe Kaifa,
izay lehiben’ny mpisorona tamin’izany fotoana izany:

“Tsy mahalala na inona na inona ianareo,
na tsy mihevitra akory fa tsara ho anareo
raha maty ho an’ny vahoaka ny lehilahy anankiray,
mba tsy ho rava ny firenena manontolo.”

Tsy avy aminy anefa no itenenany an’izany,
fa noho izy lehiben’ny mpisorona tamin’izay taona izay,
dia naminany izy fa ho faty ho an’ny firenena i Jesoa,
ary tsy ho an’ny firenena ihany,
fa mba hamory ny zanak’Andriamanitra
izay efa niely koa ho antokony iray.
Hatramin’izany andro izany
dia nikendry izay hahafaty Azy izy ireo.
Koa tsy nandeha ampahibemaso
tany amin’ny Jody intsony i Jesoa,
fa niala teo nankany amin’ny tany akaikin’ny efitra,
ho any an-tanàna atao hoe Efrema,
dia nitoetra tany Izy mbamin’ny mpianany.
Efa akaiky ny Pakan’ny Jody tamin’izay,
ka maro ny olona avy tamin’izany tany izany
no niakatra tany Jerosalema alohan’ny Paka,
mba handio tena.
Dia nitady an’i Jesoa izy ireo
ka nifampilaza tao anatin’ny tempoly hoe:

“Ahoana no hevitrareo,
dia tsy ho avy hamonjy ny fety ve Izy?”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 20, 10-13)

Momba ahy toy ny lehilahy mahery ny Tompo.

Efa reko ny vava ratsin’ny olona betsaka manao hoe:

“Fangorohoroana avy hatraiza hatraiza!
Torio izy, andeha hotorintsika izy!”

Ny olona rehetra tsara fihavanana amiko
manao andry maso ny diako:

“Raha mety ho voatarika izy dia hahombiazantsika,
ka dia hamaly faty azy isika.”

Ny Tompo anefa no momba ahy,
toy ny lehilahy mahery;
ka hitambotsitra ireo mpanenjika ahy,
fa tsy haharesy.
Ny tsy hahombiazany hahasafo-kenatra azy
amin’ny fahafaham-baraka mandrakizay tsy hohadinoina.
Ry Tompon’ny tafika,
Ianao izay mizaha toetra ny marina,
izay mahita ny voa sy ny fo,
hahita ny famalianao an’ireo aho,
fa Ianao no nanankinako ny adiko.
Mihirà ho an’ny Tompo, miderà ny Tompo,
fa manafaka ny fanahin’ny ory
amin’ny tanan’ny ratsy fanahy Izy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 17, 2-3a. 3bd-4. 5-6. 7)

Nitaraina tamin’ny Tompo Andriamanitro aho, ka henony ny feoko.

Mamiko Ianao, ry Tompo, izay heriko,
Tompo vatolampiko, toera-mafy ho ahy.
Andriamanitro mpanafaka
sy haram-bato fialofana.

Ampinga sy tandro-pamonjena,
fiarovana avo ho ahy!
Dera ho an’ny Tompo, hoy aho,
fa voavonjy amin’ny fahavaloko aho!

Efa voagejan’ny rohin’ny fahafatesana aho;
efa nampihorohoroan’ny riakan’i Beliala;
efa voadiditry ny rohin’ny Seoly;
efa voatsenan’ny haraton’ny fahafatesana!

Ambivitra aho: ka niantso ny Tompo,
nitaraina tamin’ny Andriamanitro.
Henony tany an-Tempoly ny feoko,
tody tao an-tsofiny ny antsoko.

Evanjely

Voninahitra ho Anao, ry Kristy, Tenin’Andriamanitra.

Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena.

Voninahitra ho Anao, ry Kristy, Tenin’Andriamanitra.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 31-42)

Nitady hisambotra Azy izy ireo, fa niala teo an-tanany Izy.

Tamin’izany andro izany,
dia naka vato hitorahana an’i Jesoa ny Jody,
fa hoy Izy tamin’izy ireo:

“Be ny asa soa nasehoko teo taminareo,
avy tamin’ny Ray,
ka iza amin’ireny asa ireny no itorahanareo Ahy?”

Dia hoy ny Jody namaly Azy:

“Tsy ny asa soa no itorahanay Anao,
fa ny teninao miteny ratsy an’Andriamanitra;
satria olombelona fotsiny Ianao,
nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra.”

Ary i Jesoa namaly azy hoe:

“Moa tsy izao no voasoratra ao amin’ny Lalànareo:
Hoy Izaho: andriamanitra ianareo?
Ka raha ireny nanambaràna ny tenin’Andriamanitra ireny aza
antsoin’ny lalàna hoe andriamanitra,
ary tsy azo foanana ny Soratra Masina,
ahoana no ilazanareo an’Ilay nohamasinin’ny Ray
sy nirahiny tety ambonin’ny tany hoe:
miteny ratsy an’Andriamanitra Ianao
satria nilaza hoe: Zanak’Andriamanitra Aho?
Raha tsy manao ny asan’ny Raiko Aho,
dia aza mino Ahy ianareo;
fa raha manao ihany kosa Aho,
na dia tsy te-hino Ahy aza ianareo,
dia minoa ny asako,
dia ho fantatrareo fa ny Ray ato amiko,
ary Izaho ao amin’ny Ray.”

Tamin’izay, dia nitady hisambotra Azy indray izy ireo,
fa niala teo an-tanany Izy.
Dia lasa Izy nankany an-dafin’i Jordany,
amin’ilay tany nanaovan’i Joany batemy voalohany,
ka nitoetra tany.
Ary maro no nanatona Azy, fa nanao hoe:

“Tsy nanao fahagagana i Joany;
nefa marina avokoa ny teny rehetra nilazan’i Joany Azy.”

Koa maro no nino Azy teo.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...