Bokin’i Barôka Mpaminany (Bar. 5, 1-9)
Avelao ny akanjo fisaonana amam-pahorianao, ry Jerosalema;
fa ny fanamiam-boninahitra avy amin’Andriamanitra tonga ho anao mandrakizay no iakanjoy,
mihodidîna ny kapaotim-pahamarinana avy amin’Andriamanitra,
ataovy ao an-dohanao ny hamamian’ny voninahitr’Ilay mandrakizay.
Fa Andriamanitra haneho ny famirapiratanao amin’ny tany rehetra ambanin’ny lanitra.
Hotononin’Andriamanitra ho mandrakizay ny anaranao:
“Fiadanam-pahamarinana”, “Famiratam-pitiavam-bavaka”.
Mitsangàna, ry Jerosalema, mijoroa eo amin’ny havoana, mitazàna miantsinanana,
ka jereo irery zanakao tafavory noho ny tenin’Ilay Masina,
hatrany andrefana ka hatrany atsinanana,
miravoravo noho ny nahatsiarovan’Andriamanitra azy ireo.
Mandeha tongotra no nandaozany anao, nobaboin’ny fahavalo;
fa entina amim-boninahitra no amerenan’Andriamanitra azy aminao,
hoatra ny seza fiandrianan’ny mpanjaka.
Satria nasain’Andriamanitra nietry avokoa rehefa mety ho tendrombohitra avo,
amam-batolampy fahagola ary hitototra rehefa mety ho lohasaha, hahamarintampona ny tany,
mba handehanan’i Israely tsy voasembantsembana ho an’ny voninahitr’Andriamanitra.
Ny ala aman-kazo mamofona manitra aza,
nanome ny alokalony ho an’i Israely avokoa noho ny didin’Andriamanitra.
Fa hoentin’Andriamanitra amin-kafaliana i Israely, amin’ny fahazavan’ny voninahiny,
hanehoany famindram-po ary fahamarinana avy aminy ihany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 125, 1-2ab. 2de-3. 4-5. 6
Raha ny Tompo nampody an’i Siôna izay babo,
dia toa nofinofy ny anay;
vakin’ny hehy izahay,
nanakoako ny hiranay!
Ireo firenena kosa nitakoritsika:
“Lalina ity nataon’ny Tompo taminy!”
Lalina tokoa ny nataony taminay:
koa akory ity hafalianay!
Ampodio, ry Tompo, ny babo taminay;
avereno faingana toy ny ranotrambo.
Izay mamafy amin-dranomaso
no mijinja amin-kira.
Eny tokoa, raha mandroso no tomany
am-panipazana ny voa;
fa nony miverina, manakora sy mihoby
no milanja ny vokatra!
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil. 1, 4-6. 8-11)
Ry kristianina havana,
mivavaka an-kafaliana isaky ny mivavaka ho anareo rehetra aho,
noho ny firaisanareo hampandroso ny Evanjely,
hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny;
sady matoky aho fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo,
dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin’ny andron’i Jesoa Kristy.
Fa Andriamanitra no vavolombelona fa manina anareo rehetra ao am-pon’i Kristy Jesoa indrindra aho.
Ary izao no angatahiko aminy,
dia ny hitombo bebe kokoa hatrany hatrany amin’ny fahaizana amam-pahalalana rehetra ny fitiavanareo,
mba hamantaranareo izay tsaratsara kokoa,
dia ho madio sy tsy manan-tsiny mandra-piavin’ny andron’i Kristy ianareo,
ary ho feno ny vokatry ny fahamarinana avy amin’i Jesoa Kristy,
ho voninahitra sy fiderana an’Andriamanitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 3, 1-6)
Tamin’ny taona fahadimy ambin’ny folon’ny nanjakan’i Tibera Sezara,
fony i Pôntsy Pilaty no governora tany Jodea,
i Herôda no tetrarka tany Galilea,
i Filipo rahalahiny no tetrarka tany Itorea sy Trakônitida,
i Lisanià no tetrarka tany Abilena,
ary i Ana sy i Kaifa no lehiben’ny mpisorona,
dia tonga tamin’i Joany zanak’i Zakaria tany an’efitra ny tenin’Andriamanitra.
Dia nankany amin’ny tany rehetra amoron’i Jordany izy,
nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka,
araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’ny tenin’i Izaia mpaminany hoe:
Re ny feon’ilay miantso avy an’efitra hoe:
Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany;
ny lohasaha rehetra hototofana,
ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, ny melomeloka hahitsy,
ary ny lalana mikitoantoana hohamarinina,
dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Fitaovam-pifandraisana mahomby sy maharitra ifampiresahan'ny Kristianina amin'Andriamanitra ny vavaka. Ao amin'ny Misterin'ny Trinite Masina anefa no loharanon'izany fifandraisana izany ; fifandraisan'ny olombelona amin'Andriamanitra ny vavaka. Ny ohatra omen'i Jesoa no manamafy fa ny vavaka dia fifandraisana mivantana amin'ilay Ray... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.
Tsy misy lalan-kafan'ny fivavahana kristianina afa-tsy i Kristy. Izay fivavahantsika na iombonana na an'ny tsirairay, na atao am-bava na atao am-po dia tsy ho tonga any amin'ny Ray raha tsy mivavaka amin'ny anaran'i Jesoa Zanaka isika. Afaka miantso an'Andriamanitra ho "Ray" isika satria ny Zanak'Andriamanitra tonga olombelona no nanambara Azy... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i Frère Grégoire Ramahefarisoa, OSsT.
Miantso ny olom-pirenena mba hibebaka ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, indrindra ny kristianina katôlika manana andraikitra. Mampirisika ny rehetra mba handinin-tena hoe : inona no efa nataoko, ny ataoko ankehitriny sy ny hataoko mba ho fampandrosoana ny tanindrazana, manentana ny tsirairay ihany koa hiala amin'ny kolikoly sy ny toeratra ratsy... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Tsy ampy ny fanabeazana eto Madagasikara indrindra ny maha-olona. Mila heverina ny fandaharam-pianarana mba hanampy ny ankizy sy ny tanora hahay hiatrika asa aoriana toy ny fambolena sy fiompiana, rafitra, raharaha ara-barotra... Tokony omena lanja manokana ny taranja " Instruction Civique" sy ny "formations humaines" ... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ny diabeta dia tsy aretina fa toe-batana, izay misy eo amin'ny olona manana olana amin'ny fanodinana ny siramamy ao anatin'ny vatany. 14 novambra no andro iraisam-pirenena ho an'ny diabeta, izay daty mifanandrify amin'ny nahaterahan'ilay Mpitsabo teratany Kanadiana, nahita ny "insuline". Ny loha-hevitry ny fankalazana amin'ny taona ity dia : Ny diabeta sy ny fahatonian'ny saina. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" eto amin'ny radio Don Bosco.
Alahady faha-34 mandavantaona — B "Fankalazana manetriketrika an’i Jesoa Kristy Mpanjakan’izao tontolo izao" : ampanjakao ny fahamarinana sy ny fitiavana, dia ho mpanjakantsika i Kristy ; Hosoavina anie Ilay avy amin’ny Anaran’ny Tompo, hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika. Ity alahady ity no mamarana ny taona litorjika ho an'ny Eglizy katôlika. Efa i Kristy ve no manampahefana tanteraka eo amintsika sa zavatra hafa sa olona hafa, ary sao mba ny zavatra mahadoka ivelany fotsiny?. Tsy hay refesina ny fitiavan'i Kristy ny olombelona, ny fibanjinana an'i Jesoa be voninahitra, izay fiandohana sy fiafarana dia mitondra fahasoavana maro...
Tsy tokony hohadinoina hoy ny Papa fa ireto zavatra miisa telo ireto no fihetsika manokana mampiavaka an'Andriamanitra : akaiky, mangoraka, malemy fanahy. Izany no hanehoan'Andriamanitra amintsika ny maha-Ray Azy. Ny vavaka dia fiezahana miombona amin'ny lamin'asan'Andriamanitra : hikatsahana ny voninahiny sy ny fahasambaran'ny olombelona... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i Frère Grégoire Ramahefarisoa, OSsT.
• Nosokafana ny 23 septambra 2025, ny taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Diosezin'Ambanja... • Tsy tapitra eo amin'ny fahafatesana ny tena fiainana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany momba ny misterin'ny Sabotsy Masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Minisitera tena ilaina, nefa saro-pady, ny fandroahana demony, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco