♦ Niampy iray ny olona tratry ny Coronavirus, nondaosin'ny fahafatesana teto Madagasikara... ♦ Mitohy ny fanasaziana ny olona tsy mitondra aron-tava eny an-dalambe, na somary tsy voaresaka loatra aza ny amin'izany tato ho ato... ♦ Désiré Rafidimanana : Tsy tokony hanaovana fanararaotana pôlitika ny fahasahiranana iainan'ny firenena amin'izao...
Manameloka ny endri-panavakavahana rehetra ary nananatra ny mponina any Etazonia noho ny fisian’ny herisetra izay manimba ny rehetra i Papa François tamin’ny “Audience Générale” notanterahany tao amin’ny lapa apôstôlikan’i Vatican, omaly.
♦ Eny amin'ny Araben'ny Fahaleovantena eny Analakely no fankalazana tokana ny faha-60 taonan'ny niverenan'ny fahaleovan-tena amin'ity taona ity... ♦ Efa vonona handray an-tanana ireo mararin'ny Coronavirus ny hôpitaly annexe any Moramanga... ♦ Maty antoka ny mpiompy ombivavy be ronono sy ireo misehatra amin'ny lalam-pihariana ronono noho ny Coronavirus...
04 jona — Teraka tao Lyon tokony ho tamin’ny taona 447 i Clotilde. I Chilpéric II, mpanjakan’i Burgonde no rainy ary i Carétène kristianina no reniny. Nobeaziny tamin’ny hatsaram-panahy sy fanajana ny martiry tao Lyon i Clotilde indrindra fa ny fanajana an’i Masimbavy Blandine izany.
(03-06-2020) Hery ary zavadehibe eo amin'ny fiainan'ny olombelona ny fahatokisana.
Sabotsy 06 jona 2020 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 38-44 — Misaotra Anao aho, ry Raiko, tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin'ny madinika ny tsiamaratelon'ny fanjakanao.
♦ Tafakatra ho 908 izany ny isan'ny olona mitondra ny Coronavirus eto Madagasikara. 707 no tsaboina any amin'ny hôpitaly, 195 kosa no efa sitrana... ♦ Manahy amin'ny mety hidiran'ny firenena ao anaty krizy lalina ara-tsosialy sy politika ary toe-karena ny Komitin'ny Fahamarianana sy Fandriampahalemana ary ny Fiadanana na ny K3F... ♦ Nitrangana savorovoro kosa tao Toamasina omaly...
♦ Niampy 63 ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara raha ny fitiliana vita omaly tontolo... ♦ Efa voafehin'ny mpitandro ny filaminana ny zava-misy tany Toamasina amin'izao fotoana izao... ♦ Efa voafehy ny mety hiparitahan'ny Coronavirus ao Toliara, manoloana ny fisian'ireo tranga roa vaovao hita...
Zoma 05 jona 2020 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 35-37 — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo ; ny baikonao mazava manilo ny maso.
♦ Raha tsy misy ny fiovana dia amin'ity herinandro ity no holanian'ny eo anivon'ny Antenimieran-dohaolona ilay lalàna mifehy ny serasera... ♦ Mbola maro ny mpanao gazety no iharan'ny tsindry sy ny sakana amin'ny fanatanterahany ny asany... ♦ Nofoanana tanteraka ny arebdrina sy ny afomanga ary ny hetsika rehetra mety mampitangorona olona mandritra ny fanamarihana ny fetim-pirenena...
03 jona — Tamin’ny fotoana mbola nanjakan’ny fanompoana sy ny fanompoan-tsampy ary ny fihinana olona moa no tonga tao Ouganda i mompera Lourdel sy Ivinhac mba hitory ny Vaovao Mahafaly ary nonome azy ireo alalana malalaka ny mpanjaka Mudisha tamin’izany fotoana izany.
Alakamisy 04 jona 2020 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 28-34 — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy ; ka ho tian'ny Ray ary hankao aminy izahay.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco