• “Ho aminareo anie ny fiadanana”, izay no teny firarian-tsoa voalohany nataon'ny Papa Léon XIV, raha niseho vahoaka voalohany tao Vatican izy. Niarahaba manokana an'i Roma sy i Chiclayo ihany koa izy... • Olona mahafehy ny didy aman-dalana, ny lafiny teknika sy siantifika no handrafitra ny delegasiona hiatrika ilay fivorian'ny vaomiera manokana momba ireo nosy manodidina any Frantsa ny 30 jona 2025... • Fikambanana Mazoto sy Zanadriaka : Nanao fanambarana omaly, nilaza fa tsy hanaiky hatramin'ny farany ny hirosoan'ny tetikasa Base Toliara...

Isika eto Madagasikara dia marefo amin’ny fiovan’ny toetrandro, anisan’ny tratran’ny fatiantoka sy fahasimbana be indrindra isika : Tondra-drano – lalana potika – tetezana tapaka, Olona sy biby maty – fahaverezan’ny karazan-javaman’aina – zavatra tsy azo arenina intsony. Ny fatiantoka sy ny fahasimbana dia maharitra ary misy fiatraikany maro. Manana andraikitra isika amin'ny fanarenana ny tontolo odidin'ny toetr'andro : manao tetik'asa fanarenana, manentana sy manao haitaky ; ny fiangoanana afaka mandray antanana ireo traboina afaka manohana ara-tsaina sy ara-panahy... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

• Voafidy ho Papa faha-267 ny Kardinaly Robert Francis Prevost. Nisafidy ny anarana Léon faha-14 izy amin'izao nahavoafidy azy ho Papa izao... • Nandefa teny fisaorana an'Andriamanitra sy firarian-tsoa ho an'ny Papa Léon XIV, ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ary manentana ny kristianina mba hivavaka ho an'ity Dimbin'i Piera ity... • Maniry hitondra fanitsiana amina sehatr'asa vitsivitsy ho an'ny tetibolam-panjakana 2025 ny Solombavam-bahoaka voafidy tao Arivonimamo, Rajerison Antoine. Efa nankatoavina tamin'ny filankevitry ny minisitra farany teo ny tsy hisian'izay fanitsinana izay, mandritra izao fivorian'ny antenimiera mpanao lalana izao...

09 mey — Ny Pacôme resahina amin'ity androa ity dia ilay Pacôme teraka tamin'ny taona 292, tany Thébaïde. Mbola tsy kristianina ny ray aman-dreniny, ary tambanivohitra ihany koa nefa nanan-karena ihany. Nianatra namaky ny soratra copte i Pacôme.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...