• Voafidy ho Papa faha-267 ny Kardinaly Robert Francis Prevost. Nisafidy ny anarana Léon faha-14 izy amin'izao nahavoafidy azy ho Papa izao... • Nandefa teny fisaorana an'Andriamanitra sy firarian-tsoa ho an'ny Papa Léon XIV, ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ary manentana ny kristianina mba hivavaka ho an'ity Dimbin'i Piera ity... • Maniry hitondra fanitsiana amina sehatr'asa vitsivitsy ho an'ny tetibolam-panjakana 2025 ny Solombavam-bahoaka voafidy tao Arivonimamo, Rajerison Antoine. Efa nankatoavina tamin'ny filankevitry ny minisitra farany teo ny tsy hisian'izay fanitsinana izay, mandritra izao fivorian'ny antenimiera mpanao lalana izao...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...