Isika eto Madagasikara dia marefo amin’ny fiovan’ny toetrandro, anisan’ny tratran’ny fatiantoka sy fahasimbana be indrindra isika : Tondra-drano – lalana potika – tetezana tapaka, Olona sy biby maty – fahaverezan’ny karazan-javaman’aina – zavatra tsy azo arenina intsony. Ny fatiantoka sy ny fahasimbana dia maharitra ary misy fiatraikany maro. Manana andraikitra isika amin'ny fanarenana ny tontolo odidin'ny toetr'andro : manao tetik'asa fanarenana, manentana sy manao haitaky ; ny fiangoanana afaka mandray antanana ireo traboina afaka manohana ara-tsaina sy ara-panahy... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...