♦ Nifarana androany ny dimy andro nanatanterahana ny fanadinana BEPC Katôlika tany amin'ny Diôsezy 22 manerana an'i Madagasikara... ♦ Nahazo fiara tsy mahataho-dalana miisa efatra avy amin'ny Fandaharan'as eran-tany ho an'ny Sakafo(PAM), ny Ôfisim-pirenena ho an'ny Fanjarian-tsakafo (ONN)... ♦ Manambana hitondra ireo fitaovana simban'ny delestazy eny amin'ny Biraon'ny JIRAMA ny mpiaro ny zon'ny Mpanjifa (PMH)... ♦ Nanatanteraka fitsidihana ôfisialy tany CUBA i Mgr Paul Gallagher tamin'ity herinandro ity...
Nankalazaina androany alakamisy 05 Jona izao ny andro eran-tany ho an’ny tontolo iainana. Loha-hevitra nosafidian’ny firenena mikambana ho voizina mandritra izany ny atsahatra ny fandotoana ara-plastika ny tontolo iainana eran-tany. Mandray anjara mavitrika amin’ny fanamarihana izany andron’ny 05 jona izany ny Fikambanan’ny Mpanao Gazety mikirakira ny tontolo iainana na ny AJE. Nanasa an’i Dokotera SALAMA Jean Claude namelabelatra ny momba ny plastika sy ny voka-dratsin’ny fiparitahan’ny fako plastika eny amin’ny tontolo misy antsika ary ny vahaolana entina misoroka izany hoan’ireo mpikambana ao aminy ny AJE...
♦ Mangataka vola 25 tapitrisa Ariary ny ray aman-drenin'ireo mpianatry ny Lycée Manjakandriana miisa dimy, maty an-drano, tany Mahajanga. Naneho ny heviny ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena manoloana izany... ♦ Namoaka fanambarana ny primatiora fa tsy nisy velively ny fanambarana momba ny fisian'ny disadisa eo amin'ny Antenimieran-doholona sy ny CENI, nataon'ny Praiministra Ntsay Christian... ♦ Tsy tokony takiana foana fa efa voafaritry ny lalàna velona eto amin'ny firenena ny tsy maintsy hanajàn'ny mpitondra Fanjakàna rehetra nifandimby ny mangarahara hoy ny solombavambahoaka Jean Jacques Rabenirina...
Folo taona taorian’ny Laudato Si’, inona no fiantraikan’ny antson’ny Papa François hikarakarantsika ny tranobe iombonana? Ny fandaharana "EVA" dia mikaroka ireo hafatra fototra ao amin'ny ansiklika, ny fomba fijery ara-paminaniana momba ny krizy ara-tontolo iainana, ny fiantraikany maneran-tany ary ny hetsika mivaingana. Nahoana no mbola sarotra ny fanentanana? Inona avy ireo fanamby miandry? Ary ambonin'ny zava-drehetra, ahoana no ahafahantsika mitazona ny fanantenana manoloana ny hamehana amin'ny toetr'andro? Fifanakalozan-kevitra mahasarika sy manan-danja momba ny ho avin'ny planetantsika... fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco