Folo taona taorian’ny Laudato Si’, inona no fiantraikan’ny antson’ny Papa François hikarakarantsika ny tranobe iombonana? Ny fandaharana "EVA" dia mikaroka ireo hafatra fototra ao amin'ny ansiklika, ny fomba fijery ara-paminaniana momba ny krizy ara-tontolo iainana, ny fiantraikany maneran-tany ary ny hetsika mivaingana. Nahoana no mbola sarotra ny fanentanana? Inona avy ireo fanamby miandry? Ary ambonin'ny zava-drehetra, ahoana no ahafahantsika mitazona ny fanantenana manoloana ny hamehana amin'ny toetr'andro? Fifanakalozan-kevitra mahasarika sy manan-danja momba ny ho avin'ny planetantsika... fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...