Nankalazaina androany alakamisy 05 Jona izao ny andro eran-tany ho an’ny tontolo iainana. Loha-hevitra nosafidian’ny firenena mikambana ho voizina mandritra izany ny atsahatra ny fandotoana ara-plastika ny tontolo iainana eran-tany. Mandray anjara mavitrika amin’ny fanamarihana izany andron’ny 05 jona izany ny Fikambanan’ny Mpanao Gazety mikirakira ny tontolo iainana na ny AJE. Nanasa an’i Dokotera SALAMA Jean Claude namelabelatra ny momba ny plastika sy ny voka-dratsin’ny fiparitahan’ny fako plastika eny amin’ny tontolo misy antsika ary ny vahaolana entina misoroka izany hoan’ireo mpikambana ao aminy ny AJE...

Dokotera SALAMA Jean Claude izay manam-pahaizana manokana momba fanapoizinana ny tontolo iainana na ny “ecotoxicologie” izay misy ifandraisany betsaka amin’ny fahasalamam-bahoaka sy ny fahasimban’ny tontolo iainana.

Niasa nandritra ny 28 taona tao amin’ny ministeran’ny tontolo iainana. Mampianatra eny amin’ny ENAM, sy sekolin’ny Fadin-tseranana Malagasy. Nazavainy fa tandodomin-doza ny rohy voahary an-tanety sy an-dranomasina noho ny fampiasana ny vokatra ara-plastika be loatra sy ny fiparitahan’ny fako plastika eny amin’ny tontolo misy antsika. Anjatony taonany maro ny sasany amin’ireny plastika ireny vao levona ka zava-doza ny aterany mandritra izay fotoana ela dia ela izay:

Ankohatr’izay araka ny fanazavan’ny Dokotera SALAMA Jean Claude manam-pahaizana manokana momba fanapoizinana ny tontolo iainana na ny “ecotoxicologie” dia mila mitandrina ireo mpanao asa tanana mampiasa ny akora plastika ka mampitsonika izany ho lasa vokatra hafa. Mbola tsy manaraka ny fenitra ilaina mantsy ny fitaovana ampiasan’izy ireo.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...