Ny takalo no talohan'ny varotra ; "fihaonana" ny niantsoana ny toerana nahafahana nifanakalo vokatra taloha fa ny Mpanjaka Andrianampoinimerina no nanova ny fiantsoana ny toerana mamaly ny fepetran'io takalo io ho "tsena." Ny takalo dia fifanakalozana vokatra na zavatra heverina fa mitovy lanja na vidy (Entana hasolo entana). Ny vola dia efa nisy taloha elabe ary ireo vazimba dia efa nampiasa izany ; ny vola tamin'izany andro izany dia natao hoe "Cauri na coris", vola nampiasaina taty amin'ny faritry ny ranomasimbe indiana sy ny vondrotrany Azia...

  • Hotanterahina any Morondava amin'ny volana aogositra izao ny andro nasiônalin'ny olon-dehibe andiany faharoa. Misy ny hafatra avy amin'ny CEPAL...
  • Nahazo fankasitrahana ara-bola ireo mpiasan'ny fadintseranana nahatratra ireo volamena saika ahondrana any ivelany ny volana desambra teo. Nisy nahazo vola maherin'ny 97.000.000 Ariary izy ireo...
  • Tsy misy fiantraikany hidinan'ny vidim-piainana eto Madagasikara ny fihenàn'ny vidin-tsolika hoy ny mpahay toe-karena sy mpandinika fiaraha-monina iray...
  • Nihaniana amin'ny maha filoham-panjakàna amerikanina faha-47 azy omaly, Andriamatoa Donald Trump. Fanovàna maro no nambarany fa ho entiny, hampatanjaka indray an'i Etazonia...

I Masimbavy Agnès de Rome no tsaroana rehefa 21 janoary. Teraka ny taona 290 tao Roma i Masimbavy Agnès. Teo amin'ny faha-12 taonany izy no nandà ny fangatahana azy ho vady nataon'ny zanaky ny Péfet tao Roma. Tamin'io fangatahana io mantsy dia nambaran'i Agnès fa efa manana fofombady izy, ary ambony kokoa noho ity zanaky ny Préfet ity.

Manampy amin'ny tolona fanao amim-bavaka ny fitadidiana, ny saina, ny sitrapo, izay fototra tsara amin'ny vavaka sy ny fandinihana masina. Ny fampiasana ny fandrenesana miisa 5 dia mitera-boka-tsoa. Ny fahalainana dia resena amin'ny sitrapo sy ny hafaliana, ny sitrapo dia isan'ireo hery lehibe hanampy amin'ny fifantohana anaty vavaka... Katesizy momba ny tolona fanao amim-bavaka, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...