Misedra fanamby maro ny tanora amin'izao fotoana izao. Mba ho afaka hiatrika izany dia ilaina ny fahaizana miaina ao anaty tontolo manaja ny soatoavina mifototra amin'ny fanabeazana lalim-paka, miaina ny maha-kristianina. Manana anjara toerana lehibe ny fanabeazana fony fahazaza ao anatin'izany fa eo ihany koa ny fanabeazana eny an-tsekoly sy ny fiaraha-monina. Mba ho tanora hafa kely tsy hanara-drenirano fa handanjalanja ny zavatra atao... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.

  • Andron'ny Tenin'Andriamanitra ny alahady ho avy izao. Hitondra fanazavana ao anatin'ity filazam-baovao ity, momba ny loha-heivtra noraisina amin'izany fankalazàna izany, Mgr Pascal Andriantsoavina...
  • Mbola samy tsy manaiky ny voka-pifidianana navoakan'ny fitsaràa misahana ny ady amin'ny fanjakàna ny kandidà avy amin'ny mpanohitra ao Antananarivo renivohitra sy ny any Toamasina...
  • 2 miliara Ariary ireo vola saika  hofotsiana ary nogiazan'ny SAMIFIN tamin'ny taona 2024...
  • Tsy tokony hanimbazimba na hanao sorona ny hasin-olombelona hoy ny Papa François ny saina voatran'olombelona...

I Masindahy François de Sales no tsaroan'ny Fiangonana rehefa 24 janoary toa izao. Teraka ny 21 aogositra 1567 tao Savoie avarat'i Annecy i François de Sales. Miaramila tao amin'ny tafika mpiaro an'i François Voalohany mpanjakan'i France ny rainy ary i Françoise Sionnaz no reniny.

Mila finiavana ny vavaka, tsy tokony ho kivy, izay no atao hoe tolona amim-bavaka.  Ny sitrapon'Andriamanitra no ezahina katsahana anatin'ny vavaka. Ny vavaka dia mampisy ny fanantenana toy ilay vehivavy narary an-taonany maro izay tsy nahitam-panafana anefa sitrana noho ny vavaka sy ny finoana... Katesizy momba ny tolona fanao amim-bavaka, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...