♦ Niverina nidinika momba ny vakisiny indray omaly, ny Filoham-pirenena sy ny avy amin'ny Akademiam-pirenena momba ny fitsaboana. Ilaina, hoy ny Filoha, ny fandalinana bebe kokoa izay vakisiny hafarana... ♦ Olona 10 indray no matin'ny Covid-19 teto amintsika, niampy 539 ireo tranga vaovao, araka ny tarehimarika farany avy amin'ny Ministeran'ny Fahasalamana...

Manindraindra ny fiainana mirenty ny fanatontoloana ary manaitra avy hatrany. Tsy mila ezahana akory ny miaina azy fa tafiditra ho azy ao anaty, ary iny no lasa lalam-piainana sy fanompoan-tsampy mihitsy aza ka miteraka korontana eo amin’ny fiainam-pianakaviana. Tsy misy intsony ny firaisan-tsaina fa samy maka ho azy. Manjavona tsikelikely ny fifankatiavan’ny mpianakavy ao an-tokatrano satria miriorio amin’ny fifandraisan-davitra amin’ny any ivelany. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria

Talata 20 avrily 2021 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava; isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 30-35

♦ Manao antso avo amin'ireo olona afaka hanaolo-tanana hanafainganana ny fahatongavan'ny vakisiny eto Madagasikara, ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Nisy indray androany ny fihaonana teo amin'ny Filohan'ny Repoblika sy ny Akademiam-pirenena momba ny Fitsaboana... ♦ Tsy mazava tamin'ny ankamaroan'ny mponina ety Ivato ilay toerana voalazan'ny Filohan'ny Repoblika fa hametrahana ny fasan'ny firaisam-po etsy Mandrosoa...

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...