♦ Sokafana amin'ny fomba ôfisialy amin'izao antoandro izao ny fivoriana ara-potoana voalohan'ny Antenimeram-pirenena eny Tsimbazaza amin'ity taona ity... ♦ Manamarika ny 3 mey, andro eran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety isika eto Madagasikara. "Ny asa fanaovan-gazety miatrika ny tontolo nomerika" no lohahevitra, iarahana amin'ny Holafitry ny mpanao gazety... ♦ Mitaraina ny kômity olaimpika malagasy fa mbola tsy misy fanomanana ihany ny atletantsika herin-taona mialohan'ny lalaon'ny nosy. Bahanan'ny taranja baolina kitra ihany avokoa, hoy izy ireo, ny fotodrafitr'asa fanazaran-tena...

♦ Notokanana sy notsofin-drano tamin'ny fomba manetriketrika ny alahady teo, fetin'ny Md Joseph mpiasa, ny  "Co-Cathédrale"-ny diôsezin'i Morondava ao Miandrivazo... ♦ Hanomboka anio ny fivoriana ara-potoana voalohan'ireo Parlemanta mpanao lalàna eto amintsika amin'ity taona ity. Arahin'ny mpanara-baovao akaiky ny mety hisian'ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta... ♦ Nampiakarina ny karaman'ny mpiasa amin'ny sehatra tsy miankina sy ny mpiasam-panjakana, manana ny fijeriny ireo sendikà...

Ny fihaonana nisy teo amin'i Jesoa Kristy sy i Zake dia fihaonana niriana, nomanina ary miaro hetaheta lalina. Na efa lehibe àry i Zake dia tsy nahasaka azy izany fa nitady ny fomba rehetra hihaonana amin'i Jesoa Kristy izy ary nivonona ny hibebaka.  Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Talata 3 mey 2022 — Masindahy Filipo sy Jakôba, Apôstôly — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo: izay mahita Ahy, mahita ny Ray, ry Filipo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 6-14

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...