Alakamisy 5 mey 2022 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona; ary hiditra amin’ny voninahiny — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 44-52

♦ Vitsy an'isa ny hisitraka ny fampakarana karama kanefa ny rehetra no miatrika ny fidangan'ny vidim-piainana, hoy ny antoko Otrikafo, androany... ♦ Tsy mitsaha-mitotongana ny fiainan'ireo mpamboly lavanila tao anatin'ny telo taona farany. Mitaky ny hanomezan-danja ny hetahetany ny koperativa sy ny fikambanan'ny mpamboly any Sava... ♦ Hanohana ny ekipam-pirenena Maki Ladies amin'ny lafiny rehetra kosa manomboka izao ny Filoha Rajoelina Andry sy ny fitondram-panjakana...

♦ Maro ny fepetra efa noraisin'ny fitondram-panjakana iatrehana ny fidangan'ny vidim-piainana, raha ny nambaran'ny Praiministra Ntsay christiana... ♦ Manjavozavo ny mety ho fiakaran'ny karama ho an'ireo mpiasa tsy voakasika mazava tao anatin'ny fampiakarana araka ny nambaran'ny filohan'ny repoblika hoy ny SSM... ♦ Mihamahazo vahana ankehitriny fakana an-keriny sy ny halatr'omby ataon'ny andian-dahalo any Menabe. Alina vao nisy fakana ankeriny tany Morondava...

Ny asa fivelomana dia asa miantoka ny fiainana mba ahafahana mivelona, misy vokatra mahavelona ho an'ny tenanao sy ny toeram-piasana. Ny asa dia mivoatra ary ilaina mivoatra manaraka izay koa ny fomba fisainana. Ny asa no tomombana dia noho ny fanomezan-danja ny lafiny ara-teknika sy ny arak'olona. Ny olona ao anatin'ny fitoniana ara-tsaina sy ara-batana, lavitry ny horohoro, dia mamokatra tsara....

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...