Talata 3 mey 2022 — Masindahy Filipo sy Jakôba, Apôstôly — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo: izay mahita Ahy, mahita ny Ray, ry Filipo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 6-14

Amin’ny fankalazana ireto apostoly roalahy ireto dia aroson’ny Fiangonana ho sakafom-panahy ho antsika ny toko faha 14 amin’ny Evanjely nosoratan’i Masindahy Joany. I Masindahy Filipo sy Jakoba Apostoly nampiely ny finoana eran’izao tontolo izao, nandatsaka ny rany sy namoy ny ainy ho porofon’ny finoany tsy mivadika.

Tsara ihany anefa no mampahatsiahy ny làlana tsy maintsy izoran’ireo te hanara-dia an’i Kristy araka ny voalazan’izy Jesoa tamin’ireo mpianany : raha Izaho, filoha sy mpampianatra aza nenjehiny, nahoana moa no hanenjehiny anareo.

Ny fanontaniana mipetraka dia hoe : ampy hisedrana izay olana rehetra ve ny finoana an’i Jesoa sy ny fitiavana ny vokatry ny Fanahy Masina ?

Ny finoana no ahafahantsika mahafantatra fa izy no lalana mitondra any amin’ny Ray, fa tsy sanatria ny làlan’olombelona eto amin’ny tany fotsiny, izy no fahamarinana manambara fa zanak’Andriamanitra ao aminy isika ka ny fiombonantsika aminy no aina ao anatin’izany. I Kristy no fiainana araka izany, i Joany ihany moa no nilaza hoe ny fiainana mandrakizay dia ny fahalalana an’Andiamanitra.

Ny valintenin’i Jesoa tamin’i Filipo dia dia fiekem-pinoana ho antsika rehetra. I Filipo moa dia nantsoin’i Jesoa hanaraka azy (Jo 1, 43-46) nanontaniany mikasika ny mofo. Ny fanirian’i Filipo dia faniriantsika olombelona tsirairay avy ihany koa : te hahita ka hahalala ny tena endrik’Andriamanitra marina tokoa.

Eto koa i Masindahy Joany dia manitsy ny vavaka ataon’ny kristianina hoe ny antony ivavahana dia tsy hoe mba handeha araka izay irintsika ny zavatra rehetra, mety tsy ho ny voninahitr’Andriamanitra mantsy no katsahina amin’izany fa ny voninahitry ny tena ihany. Omen’Andriamanitra izay rehetra angatahintsika amin’ny anarany ; tsy ho voninahitra ho antsika fa ho voninahitr’Andriamanitra Ray. Mora mifangaro anefa ny fitadiavana voninahitra ho an’ny tena sy ny voninahitr’Andriamanitra ka amin’izao fetin’ny Apostoly roalahy izao dia samia mandini-tena sao sanatria ny fikatsahana voninahitra ho an’ny tena no mahamaika fa raha io dia hakiviana no hiafarany, fa raha ny voninahitr’Andriamanitra kosa dia hasambarana, ary ny hasambarana sy hafaliana no ahafantarana fa asan’Andriamanitra ny asa iray.

Ho ampoky ny fahasoavan’Andriamanitra anie isika, ka tsy hikatsaka afa-tsy izy toy ireo apostoly dia i Filipo sy i Jakoba izany. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...