• Misitraka famatsiam-bola 10 tapitrisa Dolara, hiatrehana ny fiovan'ny toetrandro avy amin'ny tahirim-bola maitso, i Madagasikara... • Miandrandra mafy ny hihaona mivantana amin'ny mpikamban'ny Governemanta, ny ankamaroan'ireo Solombavam-bahoaka eny Tsimbazaza, amin'izao fivoriana ara-potoana faharoa izao... • Olona dimy mpanao trafikana rongony no efa voasambotra tany amin'ny Distrikan'i Betroka, ary an-taonina ireo rongony no efa tratra, vokatry ny ezaky ny zandary any an-toerana...

♦ Misokatra ho an'ny rehetra manana ny mari-pahaizana bakalôrea ny sekoly ambony mampianatra manokana ny Filôzôfia, tantanan'ny Fikambanan'ny Salezianina "ISSAFI" any Ankofafa - Fianarantsoa... ♦ Handraisana fepetra entitra sy haingana ireo tompon'andraikitra naha-tafa-poritsaka ny kôlônely Rakotomamonjy Patrick, izay natao fanadihadiana tao amin'ny toby hoy ny filoha Malagasy Rajoelina Andry... ♦ Pôlisy amperinasa no nanome ilay "cocarde" nampiasainà teratany vahiny tsy ara-dalàna tany Behenjy Faritra Vakinankaratra hoy ny fampitam-baovaon'ny Ministeran'ny Filaminam-bahoaka... ♦ Natomboka tamin'ny alalan'ny Lamesa ny Conclave androany 7 mey...

Ny ray aman-dreny sy ny zokiolona dia manana andraikitra hifampizara traik'efa sy hampita izany amin'ny ankohonany avy. Ny hasin'ny ankohonana dia misongadina ho azy rehefa maneho fifampizaràna ny ray aman-dreny. Ny ankohonana dia lalam-piainan'ny zanak'olombelona, singa iray ao anatin'ny tsingerin'ny fiainan'ny olombelona, izay miantoka ny fitohizan'aina. Mbola manohy ny maha-izy azy ny olona iray na ao anatin'ny tokantrano aza fa manana sy mametraka tanjona iombonana kosa, izay manome aina vao ny tokantrano... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Hanomoka anio alarobia 7 mey 2025 ny "conclave" ireo kardinal 133 hiatrika ny fifidianana izay ho Papa vaovao any Roma... ♦ Miezaka manakorontana saingy tsy misy mpihaino ny mpanohitra hoy ny filohan'ny antenimieran-doholona Richard Ravalomanana nandritra ny fanokafana ny fivoriana ara-potoanan'ireo Loholona omaly teny Anosikely... ♦ Ny alarobia 21 mey ho avy izao no  hiatrika fanadihadiana lalina momba ilay loza nahafatesan'olona miisa 4 teny By-Pass ilay teratany Sinoa voasaringotra tamin'iny loza iny, nalefa vonjimaika eny Tsiafahy izy mandra-piandry izany...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...