♦ Hamafisina ny fitandroana ny filaminana mandritra ny fanamarihana ny faha-65 taona niverenan'ny fahaleovan-tenan'i Madagasikara. Hahetsika avokoa ny mpitandro ny filaminana hoy ny tompon'andraikitra... ♦ Amboarina ny lalana Betsioky ao amin'ny Faritra Anôsy. Fiaraha-miombon'antoky ny Fanjakàna Malagasy sy ny orin'asa QMM no afahana manatanteraka izany. Nijery ifotony ny asa fanamboarana ny governora... ♦ Tsy nahavita nianika ny faratampon'ilay tendrombohitra EVEREST any Nepal, avo indrindra eran-tany, ireo fianakaviana Malagasy nandray anjara tamin'izany... ♦ Mihamafy ny fanafihana ataon'ny rosianina any Ukraine...
Ny finoana dia mampisy ny tsy misy ary ny vavaky ny maro mampisy fanantenana ; ny fahaiza-mihaino dia tena fototra tsara mahatsara ny fiaraha-monina, manampy azy ny fifanakaikezana am-po. Misy fetra ny fizahozahoana sy ny tanjaka, ary mety hakasika ny taranaka ny voka-dratsiny. Valio soa ireo izay manao ratsy anao fa singa mahasoa ny fiaraha-monina, ny asa ary ny firenena ny ezaky ny tsirairay... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Nanitsy ny resaka ahely momba ireo baobab ao amin'ny faritra arovana Ranobe PK faha-32 ny Ministry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovanin-jafy. Tsy voakitika amin'ny fitrandrahana fasimainty ataon'ny Base-Toliara izany hoy ny Ministra... ♦ Nahangona 30.000.000 Ariary tamin'ny ezaka taon-jaobily 2025 ny vahoaka sahirana eo ambany fiahian'i Mompera Pedro Opeka. Hozaraina amin'ny Diôsezin'Antsiranana sy Taolagnaro izany vola voahangona izany... ♦Nolaniana teny amin'ny antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna mifehy ny fanalalahana ny famokarana sy ny fivarotana toaka gasy ...
22 mey — Teraka tao amin'ny tanana kely tao afovoan'i Italie i Rita tamin'ny taona 1381, efa zokiolona ireo ray aman-dreniny vao niteraka azy ary nobeaziny tao anatin'ny fitiavam-bavaka tany amin'ny fiainan-drelijiozy izy ka mbola kely dia efa nankafy ny fanginana sy ny fahaiza-manaiky.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco