♦ Teny amin'ny HJRA omaly hariva no natao fanadihadiana i Fenohasina tompom-pety, noho ilay raharaha Ambohimalaza. Tonga teny an-toerana naka am-bavany azy ny avy amin'ny Zandarimariam-pirenena sy ny Pôlisim-pirenena... ♦ Fianakaviana 10 manana havana maty na marary noho ny raharaha Ambohimalaza no nametraka fitoriana teny Fiadanana, omaly. Mitory ny tompom-pety tamin'iny loza niseho iny izy ireo... ♦ May ny ampahany betsaka tamin'ny tsena Sabotsy-Antsirabe omaly hariva. Ora vitsivitsy taorian'ny firehetana vao voafehy ny afo, rehefa nifanampian'ny mpamonjy voina sy ny mponina manodidina...

Ny relijiozy dia maneho marina an'i Kristy. Ny fiainan'ny relijiozy dia fanahafana tanteraka an'i Jesoa Kristy Tompoo, ilay nadio sy nahantra ary nanetry tena. Ny vavaka isanandro ataon'ny relijiozy hanamafisany ny fifandraisany amin'Andriamanitra dia fanehoana ny vavak'i Kristy tany an-tendrombohitra. Ny relijiozy dia antsoina ho tia an'Andriamanitra mihoatra ny zavatra rehetra... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

• Hentitra ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa androany, raha nitsidika ny foibem-panadinana Bakalorea teny Sabotsy Namehana. Tsy tokony hivoaka ny efitrano fanadinana ny mpiadina raha tsy oray irau ao aorian'ny nisokafan'ny laza adina, hoy izy, hisorohana ny olana mety hitranga vokatr'izany... • Manentana ny Tambaben'ny Mpiasan'ny Jirama, hanohy hatrany ny fifampidinihana amin'ny Filoham-pirenena, ny FISEMARE Foibe manoloana ny olana misy ao amin'ny orinasa Jirama... • Nahazo fahazoan-dalana ara-tontolo iainana amin'ireo faritra iasany amin'ny fanarenana ny ala honko simba amin'ny alalan'ny tetikasa Ma honko, ny orinasa Bondy, ny volana jona teo...

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...