• Hentitra ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa androany, raha nitsidika ny foibem-panadinana Bakalorea teny Sabotsy Namehana. Tsy tokony hivoaka ny efitrano fanadinana ny mpiadina raha tsy oray irau ao aorian'ny nisokafan'ny laza adina, hoy izy, hisorohana ny olana mety hitranga vokatr'izany... • Manentana ny Tambaben'ny Mpiasan'ny Jirama, hanohy hatrany ny fifampidinihana amin'ny Filoham-pirenena, ny FISEMARE Foibe manoloana ny olana misy ao amin'ny orinasa Jirama... • Nahazo fahazoan-dalana ara-tontolo iainana amin'ireo faritra iasany amin'ny fanarenana ny ala honko simba amin'ny alalan'ny tetikasa Ma honko, ny orinasa Bondy, ny volana jona teo...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...