♦ Teny amin'ny HJRA omaly hariva no natao fanadihadiana i Fenohasina tompom-pety, noho ilay raharaha Ambohimalaza. Tonga teny an-toerana naka am-bavany azy ny avy amin'ny Zandarimariam-pirenena sy ny Pôlisim-pirenena... ♦ Fianakaviana 10 manana havana maty na marary noho ny raharaha Ambohimalaza no nametraka fitoriana teny Fiadanana, omaly. Mitory ny tompom-pety tamin'iny loza niseho iny izy ireo... ♦ May ny ampahany betsaka tamin'ny tsena Sabotsy-Antsirabe omaly hariva. Ora vitsivitsy taorian'ny firehetana vao voafehy ny afo, rehefa nifanampian'ny mpamonjy voina sy ny mponina manodidina...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...