Teraka tao Cerny-en-Laonnois, tao anatin'ny fiaraha-monina gallo-romaine, tokony ho tamin'ny taona 437 i Remi. Emile, Comte tao Laon no rainy ary i Masimbavy Céline no reniny. Tia vavaka sy matahotra an'Andriamanitra tokoa ity fianakaviana ity.

Ny maha mpibanjina dia tsy miankina amin'ny maso fa amin'ny fo. Eo no idiran'ny vavaka, tahaka ny mason'ny finoana sy ny fitiavana, tahaka ny sento, sentom-pifandraisantsika amin'Andriamanitra. Manadio ny fo ny vavaka, rehefa madio ny fo dia mazava sy madio ny fomba fijery, mahita ny zavatra rehetra amin'ny fijery vaovao. ... Katesizy momba ny vavaka fibanjinana, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

  • Mikisaka mianatsimo ilay rivo-doza Dikeledi atsy amin'ny lakandranon'i Mozambika. Tany amin'ny 543 km avaratra somary andrefan'i Morombe no nisy ny foibeny tamin'ny 3 ora tolakandro. Ho mafy ny rivotra entiny any amin'ny morontsiraka atsimo andrefan'ny nosy...
  • Mahazo rano ny tanimbary any amin'ny lemak'Alaotra. Manararaotra izany ny tantsaha ka ao anatin'ny fanetsana ireo izay mbola tsy nahavita izany. Tsy ho toa ny isan-taona anefa ny voka-bary amin'ity taona ity hoy izy ireo...
  • Manao antso avo amin'ny ministra tompon'anrdaikitra sy ny Bianco hanara-maso ny fitsaràna ny raharaham-pifidianana any aminy ny kandidà ben'ny tanàna ao Antsiranana. Manahy ny fisian'ny trangana kolikoly izy ireo...
  • Miditra amin'ny andro faharoa androany ny fitokonana faobe tarihan'ny mpanohitra atsy Mozambika Toherin'izy ireo hatramin'ny farany ny voka-pifidianana tamin'ny 9 oktobra lasa teo...

  • Naneho hevitra fanindroany momba ny mety ho hetsika an-dalambe ho tarihin'ny mpanohitra ny filohan'ny Antenimieran-doholona omaly. Matikambo fotsiny ny mpanohitra fa tsy misy vahoaka hoy izy...
  • Miombon-kevitra amin'ny hivondronan'ny mpanohitra rehetra indray ny vondrona HPM. Soson-kevitra naroson'izy ireo ny fananganana ny departemanta pôlitika eo anivon'ny fanoherana...
  • Naaton'ny Jirama ny fampiharana delestazy eto amin'ny tambazotra iraisan'Antananarivo. Ampy tsara manko ny rano manodina herinaratra any Andekaleka amin'izao...
  • Misy tsirim-panantenana kely ny fampitsaharana eo amin'ny Hamas sy ny Israeliana any Gaza. Misy ny dinika famolavolàna fifanarahana hamaranana ny ady, izay tanterahina any Doha Qatar...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...