♦ Resa-be eto amin'ny firenena indray ny raharaha fiaramanidina mitondra laharana malagasy lasa any Iran. Namory mpanao gazety momba ity raharaha ity ny Ministry ny fitanterana, omaly... ♦ Nihazo an'i Tanzania ny delegasiôn'ny Barea Madagasikara, hiatrika ny fiadiana ny CHAN 2025. Nahagaga ny tsy nisian'ny fampahafantarana ny lisitr'ireo mpilalao avy amin'ny Federasiôna... ♦ Noesorina amin'ny toerany sy nalàna tsy ho mpanolontsaina ny filohan'ny filan-kevitry ny tanàna any amin'ny Kaominina Morondava. Namoaka didy momba izany ny Fitsaràna misahana ny ady amin'ny Fanjakàna Faritany Toliara...

Masina Maria dia olombelona tahaka antsika ihany na niaraka niaina tamin'i Jesoa aza, niaina izay iainan'ny olombelona rehetra. Masina Maria dia miandry famonjena toa antsika olombelona, ary zavaboahary toa antsika. Masina Maria dia nandray anjara tamin'ny fahatanterahan'ny tantaram-pamonjena. Masina Maria no nofidin'Andriamanitra ho reny hiteraka ny Zanany... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

♦ Taorian'ny fety nitera-doza teny Ambohimalaza, nahazo laka indray ny momba ireo fiaramanidina mitondra ny laharam-pamantarana malagasy izay tonga any Iran ankehitriny... ♦ Tsy misy faradoboka be toy ny fanaon'ireo mpiadina bakalôrea ankapobeny ny fiatrehan'ny mpiadina bakalôrea teknika ny taranja atrehiny nanomboka androany... ♦ Nodidin'ny Fitsaràna misahana amin'ny ady amin'ny Fanjakàna any Toliara ny fanesorana ny filohan'ny mpanolontsaina ao amin'ny kaominina ambanivohitra Morondava ary eo koa ny hanesorana azy tsy ho mpanolontsaina... ♦ Nilaza ho diso fanantenana amin'i Russie ny filoha amerikana, manoloana ny ezaka fampitsaharana ady any Ukraine...

♦ Manao ezaka amin'ny ady atao amin'ny fiparitahan'ny zava-mahadomelina ny firenena aty amin'ny faritry ny ranomasimbe indiana. Zava-mahadomelina mahery vaika 1,5 taonina no sarona nandritra ny volana mey sy jona lasa teo... ♦ Manohana an'i Madagasikara amin'ny fampiroboroboana ny voly vary safiotra ny FAO. Nitsidika ny foibe famokarana tetsy Andranovaky Mahitsy ny tale jeneraliny Dokotera QU DONGYU niaraka tamin'ny delegasiôna notarihany ny faran'ny herinandro lasa teo ... ♦ Medaly alimo miisa 5 no norombahan'i Madagasikara nandritra ny fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika ho an'ny taranja Karaté natao tany Abuja Nigeria tamin'ny herinandro teo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...