Manaiky ny fisian'ny Filoha lefitra fahatelo eo anivon'ny Antenimierandoholona avy amin'ny mpanohitra, ny Filoha lefitra misahana ny faritra avaratra. Tsy miankina amin'ny loholona anefa, hoy izy, ny fanendrena izay olona hisahana izany fa anjaran'ny HCC sy ny Ministeran'ny Atitany...

Mpifindra monina roa arivo isan'andro no mirohotra mihazo ny Faritra Anosy, mitsaoka ny kere any Androy sy Atsimo Andrefana. Ny tobin-dry Masera, "Sahan'i Maria" ao Tolagnaro no tena mandray azy ireo. Mnagataka tantsoroka amin'ny malala-tanana àry ry Masera ankehitriny satria efa iray volana sia ny tahirin-tsakafo omena ireo mpifindra monina...

Alarobia 3 febroary 2021 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Sokafy, ry Tompo ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 1-6

♦ Mirohotra mitoby ao amin-dry masera any Tolagnaro ireo olona ianjadian'ny kere any amin'ny Faritra Androy sy Atsimo Andrefana. Tsy hody any amin'ny taniny izy ireo raha tsy milatsaka ny orana... ♦ Mihenjan-droa indray ny tady, ho an'ireo mpanara-maso ny asa, mivondrona ao amin'ny sendika SAIT sy ny Ministera miadidy azy ireo. Hampakatra ny raharaha eny amin'ny fitsarana ny sendika...

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...