Alarobia 17 febroary 2021 — Alarobia fanosorana lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo; fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 1-6. 16-18

♦ Miantso ny Fitsarana miady amin'ny kolikoly, na ny PAC, sendikan'ny mpiasan'ny fadintseranana, mba hikaroka ireo olobe, tompon'antoka tamin'ny fanondranana volamena tatsy Afrika Atsimo... ♦ Hihamafy ny hetsika fitakiana, hataon'ireo orinasa misahana ny fikojakojana ny lalana eto Madagasikara. Efa fito volana no vita ny asa fikojakojana ny lalam-pirenena tamin'ny taona 2020, saingy tsy mbola azo ny vola hatramin'izao...

♦ Basy 128 isa indray no tratran'ny miaramila mpampandry tany, teny am-pelatanan'ireo dahalo tamin'ny faritra maro manerana ny nosy... ♦ Velon-taraina ireo mponina eny amin'ny fokontany Firavahana-Fenoarivo fa mivadika nandrevo ny ranon-tany nanamboarana ny lalana... ♦ Nahazo ny fankatoavan'ny OMS ny vaksiny novokarin'ny laboratoara ASTRA-Zeneca, fanefitry ny Coronavirus... 

♦ Hamory vahoaka eny Ambohijatovo ireo solombavambahoaka TIM lany tao an-drenivohitra ny sabotsy izao... ♦ Nampiato ny fitokonana ao anatin'ny 72 ora nanomboka omaly ireo mpiasa anatin'ny sendikà "Paramedicaux"... ♦ Miha-mafy ny hery famoretana ataon'ny tafika amin'ireo mpanao fihetsiketsehana any Birmanie... 

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...