Alarobia 17 febroary 2021 — Alarobia fanosorana lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo; fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 1-6. 16-18

Alarobian'ny lavenona ! Fombam-pivavahana ho an'ny mpino katôlika, izay entina hanokafana sy hanombohana indray ny vaninandron'ny karemy. Manambara ilay efapolo andro nitokanan'i Jesoa tany an'efitra mba hihaonany amin'ilay Andriamanitra. Fotoan-tsarobidy ho antsika mpino kristianina, miteraka fahasoavana satria, hizorana sy hamakivakiana ny lalan'ny fibebahana sy ny famolahan-tena ka iarahana misimisy kokoa amin'Andriamanitra.

Ao amin'ny teoriteny tany an-tendrombohitra ambaran'ny Vaovao Mahafaly androany, no hanoroan'i Jesoa antsika ny lalam-pibebahana telo, na koa azo lazaina hoe toko telo mahamasa-nanhandro, ifaharan'ny fiainam-panahintsika.

Voalohany, ny asa fiantrana, na azo lazaina koa hoe fifampizarana entina mifandray amin'ny mpiara-belona sy hifanasoavana aminy, satria tsy misy mahavita tena. Ny antony dia mba ho loharanom-pahasambarana ho antsika, satria mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray. Eo am-panatanterahana izany dia aoka ny hataon'ny tananao havanana tsy ho fantatry ny havia.

Faharoa, ny vavaka. Fitaovana ifandraisana mivantana amin'Andriamanitra ary lalana androtsahan'Andriamanitra amintsika ny fahasoavany manandrify antsika. Mila mitandrina tsara, fa tsy ny mivavaka ho hitan'ny olona no zava-dehibe, fa ny mba ho hitan'Andriamanitra. Ary Andriamanitra mahita anao ao amin'ny mangingina hamaly anao.

Fahatelo, ny famolahan-tena amin'ny alalan'ny fifadian-kanina sy ny fahalalana onony. Io famolahan-tena io no lalana mampivoatra ny fiainantsika tsirairay avy, ho amin'ny tsaratsara kokoa.

Manoloana ireo lalam-pibebahana telo atoron'i Kristy hanombohana ny karemy ireo, dia ilana ezaka lalina : fenetren-tena, fandavan-tena mba ho tanteraka ilay hoe : "Ny Ray izay mahita no hamaly soa anao".

Jesoa ô, ny vavaka omban'ezaka ataonay mandritra izao karemy izao anie, hitondra fihavaozana sy vokatsoa be dia be eo amin'ny fiainam-panahinay. Amen.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...