Nanampy totraka ny fahasahiranana efa iainan'ny tantsaha mpamokatra eny ambanivohitra ny vokatry ny Covid-19 sy ny fihibohana tamin'ity araka ny fehin-kevitra nivoitra nandritra ny Diniky ny mpamokatra nokarakarain'ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Nasionaly...
Ry havana, migadona ity ny taona vaovao 2021. Koa amin’ny anaran’ny Fikambanana Salezianin’i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy izay eo ambany fitantanako, no iarahabako antsika mianakavy Tratry ny Taona. Mirary ny soa sy ny tsara ary ny fahombiazana ho an’ny isambatan’olona sy isan-tokantrano.
Ny foto-kevi-dehibe nandritra ny taona 2020 dia hoe: Fanavotana ny tontolo iainana ny fahaiza-miaina sy mitia amin'ny fiainana andavan'andro. Loha-hevitra telo lehibe no mamintina ny fandaharana taona 2020: Ny fanentanana mba hanavotra ny tontolo iainana, ny fifanabeazana tamin'ny fiatrehana ny valanaretina Covid-19, sy ny ady amin'ny herisetra...
Zoma 01 janoary 2021 — Masina Maria Renin'Andriamanitra — Fahiny, tamin’ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra, tamin’ny vavan’ny Mpaminany; fa amin’izao andro farany izao kosa, dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 16-21
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco