Alarobia 10 jona 2020 — Herinandro faha-10 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 17-19 — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin'ny lalànao.

Marihana isaky ny 8 jona ny andro erantany ho an’ny ranomasina, araka ny nametrahan’ny Firenana Mikambana azy.

Manao adisisika amin’ny tokony hampihenana ny trosan’i Afrika amin’ireo firenena matanjaka, manoloana ny voka-dratsy ateraky ny covid-19 amin’ny fiainan’ny vahoaka afrikanina ireo Evekan’i Afrika mivondrona ao amin’ny SCEAM (Symposium des Conférences Episcopales d’Afrique et de Madagascar).

♦ 44 indray ny tranga vaovao nahitana ny tsimok'aretina Coronavirus raha ny tatitry ny CCO Covid-19 androany... ♦ Isan'ireo lalàna navaozina teto amintsika ny lalàna mifehy ny fifandraisan-davitra, ny lalàna mifehy ny serasera... ♦ Làlampirenena maromaro no amboarina amin'ity taona ity raha ny nambaran'ny Ministry ny Fanajariana ny tany sy Asa vaventy...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...