♦ Nohalavaina 15 andro indray ny amehana ara-pahasalamana eto Madagasikara. Tsy mihoatra ny 200 ny olona afaka mivorivory. Isan'ny fepetra nambaran'ny filohan'ny repoblika alina... ♦ Fivoaran'ny valan'aretina covid-19, tranga vaovao mitondra ny tsimok'aretina 39 no voatily tamin'ny fitiliana miisa 841 natao ny sabotsy 12 jona teo, Sitrana 26, lavon'ny aretina miisa 05... ♦ Nosokafana omaly tamim-pomba ofisialy ny fankalazàna ny faha-150 taonan'ny Ekar Fo Masin'i Jesoa Anosizato. Tamin'ny alalan'ny Eokaristia Masina notarihan'ny Arsevekan'Antananarivo no nanehoana izany... 

Ny fialan-tsiny dia mba hilazàna fa tsy misy lavorary amin'izay nataony ny olona iray. Ny fialan-tsiny ihany koa anefa dia fiarovantena alohan'ny fotoana sy tahotra ny ho tsikeraina. Manana fahazarana manao zavatra atomotra sy tsy ara-potoana ny olona. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria... 

Alatsinainy 14 jona 2021 — Herinandro faharaika ambin'ny folo mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny Vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 38-42

Misy kilema ny fihavanana fa tsy voatery ho tsara foana, ohatra amin'izany ny fisehoan'ny fitiavan-tena, fitadiavana tombony. Fomba amam-panao ny "atero ka alao" miendrika fifanampiana, endriky ny fihavanana anefa mampanalasala noho ny vola. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria...

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...