Alakamisy 8 jolay 2021 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Andriamanitra no mampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampihavanana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 7-15

♦ Miombon-kevitra amin'ny tokony hijeren'ny Governemanta ny fahasahiranam-bahoaka ankehitriny na ireo antoko ivelan'ny fitondrana na ireo miara-dia amin'ny mpitondra... ♦ Nanomboka androany ny fitsarana ny CEPE. Eo ho eo ihany ny fahaizan'ny mpiadina ny taranja malagasy...

♦ Ho tanterahana rahampitso ny fikaonan-doha voalohany momba ny rafitra ara-tsakafo eto Madagasikara. Miisa 50 ireo handray anjara avy amin'ny faritra 22, hampiasa ny teknôlôjian'ny fifandraisan-davitra ahafahana mifanakalo hevitra... ♦ Nivory voalohany ireo mpisehatra rehetra voakasiky ny tetik'asa Papriz andiany fahatelo. Tanjona ny fahaleovantena ara-tsakafo amin'ny taona 2023... ♦ Nanome baiko ny ministry ny fahasalamam-bahoaka fa tsy maintsy atao peta-drindrina avokoa ny anaram-panafody maimaim-poana eny amin'ny  CSB rehetra...

Teny roa no misongadina ao anatin'ny hoe : "soatoavin'ny asaramanitra" dia ny soatoavina sy ny asaramanitra. Soatoavina : soa toavina, hajaina, iainana ary hifampitàna ary ity farany no tena zava-dehibe. Asaramanitra : fotoana hanaovana fety toy ny taom-baovao sy ny fetim-pirenena, hifampiarahabana, hifampitsidihana arahina fifanolorana fanomezana. Ny asaramanitra dia fotoana mamarana ny fahavaratra ary miditra amin'ny vanim-potoanan'ny fijinjana, fiakaran'ny vokatra asara. Asaramanitra : Saha + manitra.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...