Zoma 22 oktobra 2021 — Herinandro fahasivy amby roapolo mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 54-59

♦ Nampikatso ny asa aman-draharaha rehetra amin'ny fadin-tseranana manerana ny nosy manomboka androany, ireo mpiasa ao amin'ny SEMPIDOU. Tsy nasahakana ny fitokonan'izy ireo ny fandrarana nataon'ny Préfet-n'ny Polisin'Antananarivo... ♦ Nisavorovoro tanteraka ireo mpikambana ao amin'ilay vaomiera manokana mikarakara ny fifidianana, izay ho solontenan'ny fiaraha-monim-pirenena eo anivon'ny CENI. Nisokatra nanomboka androany ny fahafahan'ireo kandidà manatitra ny firsotsahan-ko fidiany eny Alarobia...

Manentana antsika ny Papa François mba hitondra am-bavaka ny sinaodin'ny eveka (2021-2023), momba ny lohahevitra hoe : "Eglizy miara-dia : fiombonana, fandraisana anjara, asa fanirahana"

♦ Nitrangàna loza-pifamoivoizana nahatsiravana indray tao Marovoay Gara, any amin'ny RN44 mampitohy an'i Moramanga sy Ambatondrazaka, 08 no maty ary 12 ireo naratra... ♦ Hisitraka fandaharan'asa Taniketsa indostrialy tanterahan'ny ministeran'ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifàna ny any amin'ny faritra Anosy. Midina ifotony any an-toerana ny ministra Edgard Razafindravahy... ♦ Manao antso avo amin'ny tompon'andraikitra mahefa ny mpiaro ny tontolo iainana mba hiaro ny hazo gasy, hisorohana ny fitaran'ny tsy fahampian-drano...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...