Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanopy ny masony ka nahita ny mpanan-karena nanatitra vola tao amin’ny fandatsahan-drakitra. Dia nahita mpitondra tena anankiray nanatitra farantsa kely varahina roa tao koa Izy, ka nanao hoe: "Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka bebe kokoa noho izy rehetra; satria ireo rehetra ireo dia nanatitra ny ambim-bavany ho an’Andriamanitra, fa io kosa, dia tamin’ny fahantrany indrindra izy no nanatitra ny fivelomana rehetra nananany."

Tamin’izany andro izany, dia niteny tamin’i Jesoa i Pilaty nanao hoe: "Moa Mpanjakan’ny Jody va Ianao?" Jesoa namaly hoe: "Anao samy irery izany teny izany, sa an’olon-kafa nilaza Ahy taminao?" Dia namaly i Pilaty nanao hoe: "Fa izaho angaha Jody? Ny firenenao sy ny mpisoronao no nanolotra Anao tamiko, ka inona no nataonao?" Jesoa namaly hoe: "Tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako; fa raha anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako, dia ho niady ny oloko, ka tsy ho voarain’ny Jody Aho; fa tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako". Dia hoy i Pilaty taminy: "Koa Mpanjaka izany Ianao?" Ary novalian’i Jesoa hoe: "Efa voalazanao: Mpanjaka Aho. Teraka Aho, sy tonga taty an-tany mba hanambara ny marina, ka izay rehetra mpanaraka ny marina, dia mihaino ny feoko".

♦ Seminarista zokiny 51 avy amin'ny diôsezy 13 eto Madagasikara no notokànana ho mpamaky teny sy mpanotrona teny Faliarivo ny Alahady teo... ♦ Mandray anjara feno amin'ilay fivoriana an-tampon'ny firenena mikambana momba ny fiovaovàn'ny toetr'andro na ny Cop26 any Glasgow i Madagasikara. Nandroso vahaolana amin'ny angovo amin'ny alalan'ny fampiasàna Ethanol ny filoham-pirenena... ♦ Niteraka savorovoro teny Mahazo omaly ny vaovao niely fa misy mpangala-jaza, teny Ambohimangakely...

Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny sasany tamin’ny Sadoseanina, izay mandà ny fitsanganan’ny maty, ka nanontany Azy nanao hoe: "Ry Mpampianatra ô, i Môizy nanome lalàna ho antsika hoe: Raha misy lehilahy manambady ka maty momba, dia aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny, mba hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny. Koa nisy olona fito mirahalahy, ary nanambady ny zokiny, ka maty momba. Dia nanambady an-dravehivavy ny faharoa, fa maty momba koa. Nanaraka izany dia nanambady azy indray ny fahatelo, ary nanao toy izany avokoa izy fito mirahalahy, fa maty momba daholo. Farany, dia maty koa ravehivavy. Koa ho vadin’iza ravehivavy raha mby amin’ny fitsanganan’ny maty? fa efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy."

Dia hoy i Jesoa taminy: "Ny zanak’izao fiainana izao no mampaka-bady sy avoaka hampakarina; fa izay efa hita ho mendrika hahazo ny fiainana ho avy sy ny fitsanganan-ko velona kosa, dia tsy mba mampaka-bady, na avoaka hampakarina, ary tsy mety maty intsony izy, fa tahaka ny anjely sady zanak’Andriamanitra, satria zanaky ny fitsanganan-ko velona. Ary raha ny hoe hitsangana ny maty, dia zavatra efa nambaran’i Môizy teo amin’ilay nilazany ny Voaroy izany, fa tamin’io izy dia niantso ny Tompo hoe: ‘Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaaka ary Andriamanitr’i Jakôba.’ Koa velona eo anatrehany izy rehetra ireo, satria tsy mba Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ny velona."

Dia namaly ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna ka nanao taminy hoe: "Ry Mpampianatra ô, marina ny filazanao." Ary tsy nisy sahy nanontany Azy intsony izy ireo.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...